Medias
Antson'ny Filoha Marc Ravalomanana 02-Jan-2013
Jeudi, 20 Juin 2013 08:24
Niarahaba ny vahoaka malagasy sy ny mpitaky ny ara-dalàna, ny mpiaro zo amankasin'ny zon'olombelona, ny malagasy tsy misy ankanavaka na aiza misy azy na aiza, ny filoha Marc Ravalomanana androany tolak'andro tamin’ny antso mivantana teo amin’ny kianjan’i Magro. Enga anie hoy izy ity taona 2013 ity ahafahantsika mandala ny demôkrasia izay takian'ny firenena eran-tany mba ampanjaka ny rariny eto Madagasikara. Tonga hoy izy ny fotoana andinihina ny fahasahiranana manjo ny malagasy ka hihaino ny feon'ny fieritreretany satria nataon'Andraimanitra afaka andala ny fahafahana sy mivezivezy ny olombelona, noho izany isika eto Madagasikara dia tokony hanaja izany zon'ny maha-olona izany. Miarahaba ny vahoaka malagasy aho hoy izy noho izany faharetana fitakiana ny ara-dalàna izany, toa izany koa ny hafanam-po sy ny afom-pitiavana, mba ampanajàna ny demôkrasia eto Madagasikara.
Antson'ny filoha Marc Ravalomanana, 08-Dec-2012
Jeudi, 20 Juin 2013 08:24
Antson'ny filoha Marc Ravalomanana, 01-déc-2012
Jeudi, 20 Juin 2013 08:24
Antson'ny Filoha Marc Ravalomanana, 10-nov-2012
Jeudi, 20 Juin 2013 08:24
"...mampahery anareo mpitarika aho mba tsy harivo salosana!"
Niditra mivantana an-telephone androany tolakandro ny filoha Ravalomanana ary nanamafy ny efa nolazainy tamin'ny farany : "tsy maintsy tafaverina aty Madagasikara aho na ahoana na ahoana. Aza manana ahiahy na mitebiteby satria efa nolaniana ny fampiarana ny tondrozotra ary tsy misy miverina amin'izany intsony. Ampiaro ara-bakiteny izay nifanarahana ary tsy misy izany hoe ao anaty enim-bolana izany fa fifanarahana politika no mitondra io". Ny fampiarana ny tondrozotra dia mitaky demokrasia ka tokony halalaka ny fanehoan-kevitra, tsy tokony enjehina ny fanaovan-gazety. Tsy mbola tanteraka ny fifanekena satria toa izany koa ireo gadra politika izay mboa tsy novotsorana. Tsy izaho no tsy te hody fa sakanana ary tsy izany no voamarika ao anaty tondrozotra.
Tsy maintsy tanterahana ny fifidianana ara-demokratika, avelao hilatsaka izay te hilatsaka, avelao ny vahoaka hisafidy izay tiany hitondra ny fireneny. Ny fanapaha-kevitra noraisin'ny Troïka no ahatafita ny raharaha ara-politika aty Madagasikara. Niantso ireo mpitarika izy teo ampamaranana, ny ampahery ny malagasy, mba tsy hanaiky ataon'ny sasany fitaovana.
Ny teny farany avy amin'ny filoha Ravalomanana : "Tsy tolona ho ahy no atao fa tolona hoan'ny Malagasy!".
Antson'ny Filoha Marc Ravalomanana 27-oct-2012
Jeudi, 20 Juin 2013 08:24
...Manambàra amin'ny fomba ofisialy aho fa hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ary tsy hihemotra amin'izany!
Nanombohany ny kabary androany dia ny fitondràna fampiononana hoan'ny fianakavian'izay mana-manjo, izay no maha-malagasy, koa mamangy ny fahoriana hoan'i Rajoelina sy ny fianakaviany aho hoy izy.

