1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Medias

Antson'ny filoha Marc Ravalomanana, 08-Dec-2012

Vendredi, 24 Mai 2013 14:09

 "...eo ampiandrasana ny fanambaràna ofisialy avy any Dar-Es-Salam,ataon'ny Sadc dia matokia fa tsy maintsy ho tonga aty Madagaikara aho!"
 
Hitohy... 

Antson'ny filoha Marc Ravalomanana, 01-déc-2012

Vendredi, 24 Mai 2013 14:09

 "...tsy hisy fifidianana eto Madagasikara raha tsy tafaverina eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana!"
 
"Vaovao mikasika ny raharaha politika no lazaiko aminareo" hoy ny filoha Marc Ravalomanana androany raha niditra nivantana an-telephone tamin'ny vahoaka tao amin'ny Magro izy." Amin'ny herinandro dia hisy fivoriana ka manantena fa hisy zava-dehibe ho lazaina aminareo. Matoky sy manantena fa hamaha-olana ny Sadc sy ny Troika.Tsy manaiky mihitsy isika izany hoe "ni ni" izany. Lazao hoy izy fa tsy ao anatin'ny vohabolan'ny demokrasia izany "ni ni" izany. Homena ny vahoaka ny safidy malalaka ary izy ihany no manendry izay olona tiany hitondra azy. Mazava ny safidy omena ny vahoaka. Mampita hafatra hoan'ireo manely tsaho ary tano hoanareo irery izany "ni ni " izany. Tandremo amin'ny fandemen-tsaina. Ny art. 20 dia efa mazava ka matokia fa ny marina tsy mba maty. Mampahery anareo aho hoy ihany izy tamin'ny kabariny ary tsy hamadika mihitsy ny vahoaka malagasy aho mandra-pahafatiko. Manome vaovao ho anareo aho amin'ny herinandro ary tsy hisy mihitsy fifidianana raha tsy tafaverina eto Madagsikara ny filoha Marc Ravalomanana.

Antson'ny Filoha Marc Ravalomanana, 10-nov-2012

Vendredi, 24 Mai 2013 14:09

 "...mampahery anareo mpitarika aho mba tsy harivo salosana!"

Niditra mivantana an-telephone androany tolakandro ny filoha Ravalomanana ary nanamafy ny efa nolazainy tamin'ny farany : "tsy maintsy tafaverina aty Madagasikara aho na ahoana na ahoana. Aza manana ahiahy na mitebiteby satria efa nolaniana ny fampiarana ny tondrozotra ary tsy misy miverina amin'izany intsony. Ampiaro ara-bakiteny izay nifanarahana ary tsy misy izany hoe ao anaty enim-bolana izany fa fifanarahana politika no mitondra io". Ny fampiarana ny tondrozotra dia mitaky demokrasia ka tokony halalaka ny fanehoan-kevitra, tsy tokony enjehina ny fanaovan-gazety. Tsy mbola tanteraka ny fifanekena satria toa izany koa ireo gadra politika izay mboa tsy novotsorana. Tsy izaho no tsy te hody fa sakanana ary tsy izany no voamarika ao anaty tondrozotra.

Tsy maintsy tanterahana ny fifidianana ara-demokratika, avelao hilatsaka izay te hilatsaka, avelao ny vahoaka hisafidy izay tiany hitondra ny fireneny. Ny fanapaha-kevitra noraisin'ny Troïka no ahatafita ny raharaha ara-politika aty Madagasikara. Niantso ireo mpitarika izy teo ampamaranana, ny ampahery ny malagasy, mba tsy hanaiky ataon'ny sasany fitaovana.

Ny teny farany avy amin'ny filoha Ravalomanana : "Tsy tolona ho ahy no atao fa tolona hoan'ny Malagasy!".

 

Antson'ny Filoha Marc Ravalomanana 27-oct-2012

Vendredi, 24 Mai 2013 14:09

...Manambàra amin'ny fomba ofisialy aho fa hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ary tsy hihemotra amin'izany! 

IMG_4519Nanombohany ny kabary androany dia ny fitondràna fampiononana hoan'ny fianakavian'izay mana-manjo, izay no maha-malagasy, koa mamangy ny fahoriana hoan'i Rajoelina sy ny fianakaviany aho hoy izy.

Tohiny

Tsy maintsy ho tafaverintsika ny hasin'ny firenena !

Vendredi, 24 Mai 2013 14:09

Antson'ny Filoha Ravalomanana, 25 aogositra 2012

Tohiny

Antson'ny Filoha Marc Ravalomanana, 16-07-2012

Vendredi, 24 Mai 2013 14:09

Namerina ny fiarabàna an'i Rtoa Dlamini-Zuma ny filoha Marc Ravalomanana amin'izao nahalany azy ho filoha'ny commission'ny UA izao. Zava-dehibe izao hoy izy satria hitovy tanteraka ny feon'ny Sadc sy UA. Hiova tanteraka noho izany ny fandehan'ny raharaha politika eto Madagasikara sy ny famahàna ny krizy. Hisy fanapaha-kevitra aingana hoy izy ny momba ny firenentsika ary azontsika ho raisina toa ny fandresena satria hiova ny fomba fiasan'ireo vondrona rehetra manelanelana. Hisy noho izany hoy izy ny fifidianana malalaka andraisan'ny rehetra anjara ary hisafidianan'ny malagasy izay hitondra azy. 

 

Kianjan'ny finoana 26 jona 2012

Vendredi, 24 Mai 2013 14:09

Manoela : Tsy ho eny Iavoloha raha tsy tonga eto ny Filoha Ravalomanana

Vendredi, 24 Mai 2013 14:09

Nanambara ampahibemaso i Manoela androany teny amin'ny kianjan'ny finoana fa tsy hisy mpikambana ho eny Iavoloha na eny Mahamasina amin'ny 26 jona izao. I Manoela manokana dia nandrovitra ny fanasana izay azony ary maniry ny hiarahan'ny sendika amin'ny ankolafy hihazo ny 13 miala eo amin'ny kianja. Nambaran'i Manoela ihany koa fa ny tenany dia tsy hoe eny Iavoloha izany raha tsy tonga eto an-tanindrazana ny Filoha Ravalomanana ary vonona hiady hatramin'ny farany hahatanteraka izany fahatongavany eto izany ary koa hiaro ny Tiko. 

Antson'ny filoha Marc Ravalomanana, 16 jona 2012

Vendredi, 24 Mai 2013 14:09

Antson'ny filoha Marc Ravalomanana 26mai2012

Vendredi, 24 Mai 2013 14:09

Nanitrikitrika ny tokony hanehoana hevitra sy ny hanaovana izany ampilaminana ary indriandra ny famelàna hanao izany ny Filoha Ravalomanana. Tompon’andraikitra amin’izany hoy izy ireo mpitondra sy anatin’ny fitondrana.

Lire la suite

HETSIKA 1 MAY

Vendredi, 24 Mai 2013 14:09