Audios
Antson'ny Filoha Marc Ravalomanana, 06 Aogositra 2011
Mardi, 18 Juin 2013 22:03
Antson'ny Filoha Ravalomanana, 13 jona
Mardi, 18 Juin 2013 22:03
Niantso ny mpanao politika, ny mpitandro ny filaminana, ny olontsotra ho tony ny Filoha Ravalomanana.
Na dia andro fety aza androany dia tsy nahasakana ny vahoaka malagasy ho tonga teny amin'ny kianjan'ny finoana izany. Feno hipoka tanteraka ny kianja. Niditra mivantana tamin'ny antso an-tariby ny Filoha Ravalomanana. Nambarany fa mazava ny fehinkevitry ny Sadc fa tsy misy afa tsy ny vahaolana samy malagasy no hahafahana mivoaka amin'ny krizy.
Antson'ny Filoha Ravalomanana, 30 Avril 2011
Mardi, 18 Juin 2013 22:03
Tamin’ny fidirany mivantana androany teny amin'ny kianjan'ny finoana dia nanambara ny Filoha Ravalomanana fa efa miomana fatratra ireo filohampirenena avy ao amin'ny SADC amin'ny fivoriana mikasika an'i Madagasikara. Nilaza ireo filoha ireo fa tsy maintsy mifampiresaka isika samy malagasy, kanefa ny sasany vao hiresaka dia efa tora-kovitra. Tsy maintsy tanterahana ny fifidianana eken'ny rehetra ary malalaka. Ny fifidianana izay natao tamin'ny 17 Novambra dia tsy eken'izao tontolo izao. Hita mazava hoy izy ny tahotry ny sasany nefa mbola tsy manomboka akory ny fampielezan-kevitra.
Antson'ny Filoha Ravalomanana, 22 Aprily 2011
Mardi, 18 Juin 2013 22:03
Hetsika farany mialoha ny fetin'ny Paska no notanterahan'ny ankolafy telo tetsy amin'ny kianjan'ny finoana Behoririka androany Zoma 22 Aprily 2011.
Niditra mivantana tamin'ny antso antariby indray ny Filoha Ravalomanana. Nambarany fa efa nilaza ny Filoha Namibiana fa tsy maintsy mitady ny marimaritra iraisana, ary iaraha mitantana ny tetezamita.
Diso hoy izy ny filazana fa nanaiky ny sori-dalana ny Troika. Raha nisy izany dia tsy nampiantso io fivoriana io intsony ny SADC. Mampirisika ireo ankolafy telo sy ireo fikambanan manampy azy ny Filoha Ravalomanana mba hiray hina. Niantso manokana ny FFKM sy ny CNOSC ihany koa izy mba hijery sy hilaza ny marina. Tsy tokony hitazam-potsiny izany izy ireo fa tokony hitondra ny feon'ny vahoaka, fa tsy rariny ny fanapahan-kevitr'olon-tokana.
Antson'ny Filoha Ravalomanana, 20 aprily
Mardi, 18 Juin 2013 22:03
Famintinana ny hetsika teny amin’ny Magro 20 avril 2011
Nitohy tetsy amin'ny kianjan'ny finoana Behoririka ny hetsiky ny ankolafy telo. Nandray anjara hatrany sy nankahery ny tsirairay amin’izao andro paska izao ny Filoha Ravalomanana tamin’ny antso mivantana an-tariby.
Ny voalohateniny dia niarahaba ny vahoaka malagasy noho ny fetin'ny Paska. Enga anie hoy izy ka samy hahatsiaro tena isika rehetra ka hahafantatra ny lala-kombàna sy izay mahasoa ny firenentsika ary hitondra làlana vaovao ho antsika ity herinandro masina ity.


