Antson'ny filoha Marc Ravalomanana 26mai2012
Nanitrikitrika ny tokony hanehoana hevitra sy ny hanaovana izany ampilaminana ary indriandra ny famelàna hanao izany ny Filoha Ravalomanana. Tompon’andraikitra amin’izany hoy izy ireo mpitondra sy anatin’ny fitondrana. Izaho hoy izy dia vonona ny hifandinika fa ireo izay tsy mamela ny vahoaka haneho ny heviny dia manambara fa te hampitarazoka izao krizy izao.
Nanambara ihany koa izy fa nolazainy tao amin’ireo mpikambana ao amin’ny SADC fa raha mbola izao ny zava-misy dia tsy ekena ny fanatanterahana io tondrozotra io.Nilaza koa izy fa efa nanambara ny frantsay fa tsy hanaiky fitondrana tsy mitoetra amin’ny demokrasia, ny vondrona eropeana tsy hanome fanampiana raha tsy famelana fanehoan-kevitra malalaka ary ny amerikana raha tsy voahaja ny zon’olombelona.Eo anatrehan’ny vondrona afrikana moa hoy izy dia mandrapahavitan’ny krizy dia lasan’ny firenena hafa fotsiny ihany izay tokony ho anjaran’I Madagasikara.
Naneho fisaorana manokana ireo jeneraly misotro ronono izay naneho tokoa fa ny miaramila dia tokony hiasa ho an’ny tanindrazana ka nanome fampatsiahivana izany ireo zandriny amperin’asa.





