1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Antson'ny filoha Marc Ravalomanana, 15-feb-2012

PDF Imprimer Envoyer

Mercredi, 15 Février 2012 17:47


Niantso nivantana tao @ magro ny filoha ary naneho ny fiara-miriny amin'ireo fianakaviana namohy ny havana tamin'ny fandalovan'ny rivodoza. Malahelo izy satria izao loza izao dia manampy trotraka ny resaka krizy politika izay nampiditra ny vahoaka ao anty fahantràna toa izao. Krizy nataon'olona izao hoy izy ka tokony ahita vaha olana amin'izany koa ny samy malagasy ary fotoanan'ny famelàna izao fotoana izao ary hamela ny ambopo.
Tsy mitsahatra ny mitady hevitra aho hoy izy na lavitra aza, mba hanampiana ireo malagasy ao anaty
voina. Miantso ireo filoham-pirenena namana aho hoy izy ary izy ireo dia milaza fa tsy hisy ny fanampiana raha toa tsy misy fanarahana izay nifanekena. Ny fahatram-bahoaka anefa dia tsy afa-miandry ny fitiavan-tenan'ny mpanao politika satria ny fahantràna dia mianjady amin'ny isam-batan'olona. Tsy hiteny firy aho androany hoy izy fa tokony aparitaka ny vaovao misy ary isika samy isika dia tokony hifanampy.