1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Antson'ny filoha Marc Ravalomanana, 06-feb-12

PDF Imprimer Envoyer

Lundi, 06 Février 2012 15:49

Nanambara tamin'ny antsony androany ny filoha Marc Ravaloamanana fa momba ny raharaha nitranga tamin'ireny 07 febroary 2009 ireny, dia tsy izy mihitsy no andeha hanome baiko hamono malagasy fa mbola misy tompon'andraikitra toa ny ministry ny fiarovana, na praiministra na koa ny mpiandraikitra ny fiarovana ny filoha. Tsaho handotoana ahy daholo izany hoy izy. Torak'izany koa ilay resaka fiaramanidina izay ambara fa natao amin'ny anarako hoy izy, tsy misy fahamarinany izany na kely aza. Mbola eo ihany koa ny tsaho voizina momba ilay fivarotana tany tamin'izany koreana Daewoo izany, izay tsy mitombona ny fisiany, ka atsaharo hoy izy ny famahanan-dalitra ny vahoaka malagasy. Nanome hafatra ihany koa izy avy any amin'ny Ramatoa Lalao Ravalomanana momba ny alahelony tsy afaka niverina teto Madagasikara iny asabotsy iny ary nolazainy fa tsy maintsy tafaverina eto an-Tanindrazana izy n'inon'inona sakana kasaina atao.