Fanampim-panazavàna mahakasika ny dian-dRamatoa Lalao Ravalomanana !
Toa izao ny fanampim-panazavàna momba ny dian-dRamatoa Ravalomanana androany. Nifandray tamin'ny minisitry ny raharaham-bahinin'ny Afrika Atsimo ny minisitrin'ny raharaham-bahiny HAT ka nampitandrina azy fa tsy miantoka ny "sécurité" mahakasika ny zotra Airlink anio ny fanjakana malagasy raha toa ka ao anatiny i Ramatoa Ravalomanana. Nampandre ny Airlink ny minisitra afrika atsimo. Rahefa izany dia niresaka tamin-dRamatoa Lalao Ravalomaana ny tompon'andraikitry ny Airlink nanazava fa manaiky ny hitondra azy izy ireo raha toa ka manao sonia izy fa ho tompon'antoka amin'izay tranga rehetra mety hahazo ny zotra (fanodikodinana, notam sns...). Tsy nanaiky ny hanao sonia izany taratasy "décharge" izany izy ka voatery nidina ny fiaramanidina. Jereo video Conférence de presse nataon'ireo delegasiona. Sary Ivato




