Vaovao farany ...
Araka ny vaovao azo mivantana avy any Afrika atsimo, dia tsy ho tafaverina eto an-Tanindrazana androany indray i Ramatoa Lalao Ravalomanana.
Nandefa toromarika tany amin'ny Compagnie aérienne Airlinks ny fitondràna hat, ary nandrahona azy ireo, fa raha mitondra an'i Ramatoa Ravalomanana sy ny fianakaviany izy ireo dia tsy ahazo alàlana hipetraka amin'ny seranam-piara-manidina malagasy ny fiaramanidin-drizareo. Araka izany dia tsy afaka hitodi-doha eto Madagasiakara ny vadin'ny filoha Ravalomanana androany asabotsy.
Fanitsakitsahina ny zon'ny maha-malagasy tsotra izao ity fandraràna azy tsy hiverina eto an-Tanindrazany izao ary tsy fanajàna ihany koa ny zon'ny tera-tany malagasy izay tokony afaka miditra tsy misy fepetra amin'ny taniny.
Efa fiantsiana ady mivantana izao sehon-javatra izao ary tsy misy intsony antony tokony mbola hijanonana miara-mitantana amin'ireto jiolahim-boto nahazo fitondràna ireto.




