Antson'ny Filoha Marc Ravalomanana Mivady, 02-fév-12
Niresaka mivantana tamin’ny telephone ny filoha Marc Ravalomanana mivady. Niteny nivantana I Ramatoa Lalao Ravalomanana ary nilaza fa ho avy izy koa manantena ny fitsenan’ny rehetra ary tsy manome tsiny izay tsy afaka koa. Ho avy eto an-Tanindrazana amin’ny asabotsy tolak’andro izao I Ramatoa Lalao Ravalomanana. Namerina ny fisaorany ny vahoaka Malagasy ny filoha Marc Ravalomanana satria tena mendrika hoy izy tamin’ny fahendrena nasehonareo tamin’iny andro iny. Namerina ny resaka nifanaovany tamin’ireo filoham-pierenena niresaka taminy tany Addis-Abeba izy sy ny fahavononany hanampy antsika Malagasy raha miverina ny ara-dalàna.





