Arahaba !
Amin’izao fitsingeranan’ny taona nahaterahanao izao dia miarahaba anao Andriamatoa Filoha ny mpikarakara ny tranokala sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo mpitsidika sy mpisera sady mpanohana ny ara-dalàna ary indrindra ny fiverenanao an-tanindrazana.
Misaotra an’Andriamanitra amin’ny nitahiany anao ka nahatraranao ny faha 62 taona. Mbola mirary fahasalamana sy andro lava hiainana ho anao, hiarahanao miriaria amin’ny fianakavianao sy ny vahoaka malagasy izay miandry fatratra anao.
Andriamanitra anie hahatanteraka feno aminao ny tenin’ny mpanao salamo manao hoe “Jehovah hiaro anao na mivoaka na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay”.




