Rodobe 1 nov : tsy miala eto isika raha tsy tonga i Dada !
Na dia andro tsy fiasana aza ny androany, dia nisy ny hetsika teny amin'ny Kianjan'ny finoana Behoririka.
Ny Depiote Ravelonanosy Mamitiana dia nanambara fa misy ireo Tim Raharinaivo sy Yves Aimé mitety faritra manao fihetsiketsehana. Noho izany dia aoka isika tsy ho voafitakin'ireny olona ireny. Ny Filoha Ravalomanana ihany no mitantana ny Tim manerana ny nosy hoy izy, manaraka ny misy rehetra koa izany Tim izany, hoy ny Depiote Ravelonanosy. Ireo izay nankany amin'i Rajoelina dia tsy nahavaha ny krizy hatramin'izao. Ny fanamafisantsika ny Ankolafy telo izao no tohizana hatrany, mazava ny fitakiana fa tsy maintsy miverina ny Filoha Ravalomanana ary tsy maintsy mivoaka avokoa ireo gadra politika rehetra ary tsy maintsy hapetraka ny rafitra eken'ny malagasy rehetra.
Isika tsy miala eto hoy ny Depiote Leriva Manahirana raha tsy tonga i Dada. Nangina ny Filoha Ravalomanana tato ho ato hoy izy satria mampihatra ny voalazan'ny soratra masina manao hoe : « Izaho hangina fa Andriamanitra no hiady ho anareo ».
Raha notendrena ny Praimnistra hoy ny Depiote Leriva dia tsy faly tamin'izany mihitsy Rajoelina, saingy noteren'ny ny zava-misy. Amin'izao fotoana izao dia misahotaka ny manodidina an-dRajoelina. Noho izany, tokony ho tony isika ary hilamina hatrany, satria tsy ho ela ny ahatongavan'i Dada. Samia velombolo sy falifaly isika ary akaro ambony ny moraly.





