1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 31 okt : aoka ho mailo hatrany isika !

PDF Imprimer Envoyer

Complera emtricitabine rilpivirine tenofovir alcohol food Interactions order online cialis. It is not known whether vemurafenib passes into breast milk or when it could harm a nursing baby buy 20mg viagra Revatio is indicated for your management of adult patients with pulmonary arterial hypertension WHO Group I to further improve exercise ability and delay clinical worsening professional online viagra.
argaiv1188

Lundi, 31 Octobre 2011 23:33

Na dia andro tsy fiasana aza ny androany dia nitohy teny amin'ny Magro ny hetsiky Rodoben'ny Malagasy ho an'ny Tanindrazana.Miandrandra ny fahatongavan'ny Filoha Ravalomanana ny vahoaka any Mahajanga hoy Andriamatoa Raliseheno Guy Maxime. Izy moa dia anisan'ireo delegasiona avy amin'ny Rodobe nandeha tany an-toerana. Aza taitaitra isika ho izy fa matoa misy ny fihaonana eo amin'ny Filoha Jacob Zuma sy ny Filoha Ravalomanana androany, dia mbola ny mahakasika ny raharaham-pirenena ihany.  Nambaran'ity ben'ny tananan'Ankaraobato ity ihany koa fa amin'izao isika miteny izao dia manodidina ny morontsirak'i Madagasikara ny sambo miaramila Afrikana Tatsimo.

Ny Pr Zafy Albert hoy ny Depiote Zafilahy dia tsy hamadika ny Filoha Ravalomanana izany. Maro hoy izy ny te ho Praiministra fa matoa ny Pr Zafy tsy nanolotra olona hafa dia fantany fa efa nisososo tany amin'Ingahy Rajoelina ny sasany ka tsy azo hitokisana.. Aoka isika hoy ity olomboafidy tany Vavateninana ity mba hahatoky ireo raiamandrenitsika ireo satria toko telo mahamasa nahandro ireo. Mikasika ny zavanisy teny Iavoloha dia nanambara ny Depiote Zafilahy fa fomba fiady politika avokoa ireny. Ny hoe misintaka hoy izy dia tsy miala amin'ny ankolafy telo akory fa hanatsarana ny fomba fiasa. Amin'izay fotoana izay hoy Zafilahy dia entina hilazana fa tokony hamafisina indray ny firaisankiantsika ankolafy telo. Raha ny olona natolotry ny ankolafy Ravalomanana hoy izy no lany teo ka nanala ireo tomponadraikitra miaramila ny Praiministra antsika mba afahantsika mamerina ny Filoha Ravalomanana dia mazava ho azy fa tsy faly ry zalahy ireo. Amin'izay fotoana izay hoy ny mpandahateny dia hanao korontana izy ireo. Noho izany hoy Zafilahy dia aleo mihitsy ny ankolafy Zafy Albert no hanao an'io dia afaka madiodio isika. Efa misy hoy izy ny resaka any ambadika any ataon'ireo raiamandrenintsika ireo. Noho izany hoy ity mpanao politika ity dia hamafisintsika ity Magro ity, hanampiantsika ny Praiministra. Dradradradraintsika eto hoy Zafilahy ny famoahana ireo gadra politika rehetra, ny fiverenan'ny Filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana ary afaka manao politika. Nanafatra ihany koa ny tenany mba ho mailo hatrany.

Fandresena ho antsika hoy ny Depiote Rodin Rakotomanjato iny fanendrena Praiministra iny, satria ireo mpanao politika niaradia amin'ny fat aza dia tezitra tamin'iny fanapahan-kevitra noraisin'ny Rajoelina iny. Tsy hanaiky isika hoy Rodin fa arahantsika manomboka amin'ny teboka 1 ka hatramin'ny farany ny fampiharana ny tondrozotra.Marihina fa mitohy eny amin'ny Magro rahampitso ny hetsiky ny Rodobe.