Rodobe 29 okt : Mampitandrina anao izahay ngahy Chataignier !!!
Toy ny isakin'ny Sabotsy dia tomefy olona ny kianjan'ny finoana teny Behoririka androany : sary
Nandray fitenenana voalohany ny Depiote Leriva Manahirana voafidy tany Brickaville. Novakiany bantsilana ny fihetsika mamohehitra nataon'Ingahy Jean Marc Chataignier tamin'Andriamatoa Mamy Rakotoarivelo teny amin'ny Hotel Colbert omaly izay nanao vavabe sy nandrahona ny hamely totohondry mihitsy,fanambaniana ny malagasy izany hoy ny mpandahateny , koa ny vazaha manao toy izany dia « allez , dehors » tsy ilainay malagasy,aoka hazava hoy ny Depiote Leriva fa tsy an'i Sarkozy na Chataignier i Madagasikara.
Mikasika ny fanendrena ny Praimnistra izay natolotrin'ny Ankolafy Zafy dia nambaran'ny Depiote Leriva fa tsy mila ady amin'ny Pr Zafy Albert na mankahala an'i Omer Berizika ny Ankolafy Ravalomanana, saingy tsy ekeny kosa ny fepetran'ny fanendrena izay tsy mifanaraka amin'ny voalaza ao amin'ny tondrozotra .Ankehitriny dia misintaka kely aloha ny Ankolafy Ravalomanana mandinika izay atao.
Ny Depiote Ravelonanosy Mamitiana voafidy tany Ankazobe dia nahitsy ny fiteniny nanao hoe :mamaky ady amin'ny Ankolafy Ravalomanana ny frantsay.
Ny Pasitera Edouard avy ao amin'y Ankolafy Zafy dia nilaza fa fantany tsara i Beriziky, fa tsy olon'ny frantsay fa Rabotoarison no an'ny frantsay . Izahay hoy izy dia mbola vonona amin'ny fiaraha mitolona ka tsy mijanona isika raha tsy mivoaka ny gadra politika , mody ny Filoha Ravalomanana.
Imanoela dia nanao antso tamin'i Chataignier hoe raha lehilahy ianao dia Imanoela andramana fa aza kitihana i Mamy Rakotoarivelo , mikasika ny Praministra vao notendrena dia manatena izahay fa hamoaka ny gadra politika izy ary hampody tsy misy fepetra ny Filoha Ravalomanana.
Ny Depiote Mektoub dia nanamafy fa tsy maintsy hanao izay hanatanterahana ny tondrozotra ny Praiministra Berizika, hirotsaka handresy lahatra azy izahay ao amin'y Ankolafy Zafy Albert ,ka raha tsy manatanteraka indrindra ny fodian'ny ny Filoha Ravalomanana dia izahay mihitsy no hanala azy eo ,Nanamafy ihany koa Andriamatoa Mektoub fa tsy misaraka isika raha tsy mody i Dada.





