1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 27 okt : samia mailo isika

PDF Imprimer Envoyer

Mercredi, 26 Octobre 2011 22:51

Tadidio tsara hoy ny Senatera Rakotoamboa Jean Louis fa ny frantsay no fototry ny fanonganam-panjakana teto amintsika. Mandry ilika mihitsy izy ireo hoy izy rehefa mitady ny tombontsoany noho izany dia mila mailo isika. Entina hanaporofoana izany amintsika hoy izy dia ny zavanisy tany Lybie. Raha ny zavanisy hoy Andriamatoa Rakotoamboa dia Kadhafi no namantsy vola an'i Sarkozy tamin'ny fampielezan-kevitra filoham-pirenena. Raha misy olana ihany koa hoy izy ny firenena Lybiana dia tokony ny firaisam-be Afrikana no mamaha izany olana izany. Efa nijoro ny filoha Jacob Zuma kanefa noho ny tombontsoan'ny frantsay izay hahazo ny 30%'n'ny solika hoy Andriamatoa Rakotoamboa dia ny frantsay no nirotsaka nidaroka baomba. Manoloana izany dia nanao antso ho an'ny Filoha Ravalomanana, Ratsiraka, Zafy ny tenany. Alamino tsara hoy izy ny fiarahan'ny ankolafy telo mba tsy hisaratsaraka fa raha tsy izany dia ho vita eto isika.

JavaScript est désactivé!
Pour afficher ce contenu, vous devez utiliser un navigateur compatible avec JavaScript.

Nitondra fanazavana mikasika ny fanakianan'ny olona azy ny Depiote Leriva Manahirana voafidy tany Brickaville. Nisy hoy izy nilaza fa inona no mahasamihafa anareo sy Méme satria samy hiditra ao anaty rafitra kanefa i Dada mbola tsy tonga. Tamin'iny hoy ity olomboafidy ity dia ry zareo no niditra tsy nahazo alalana tany, fa amin'izao fotoana izao dia baiko avy amin'i Dada ny hoe midira ao anaty rafitra. Raha tsy manao izay isika hoy izy dia mandà ny tenin'ny Filoha Ravalomanana. Mba tsy hifamitahana eto hoy hatrany ny Depiote Leriva dia tsara ny manazava fa tsy anjaranao, tsy anjarako, tsy anjaran'ny mpitarika ny mamerina ny Filoha Ravalomanana eto Madagasikara. Ny antony dia mazava fa fanapahan-kevitra manokana raisiny ny fotoana sy ny ora hahatongavany eto. Ny andraikintsika hoy izy dia ny manomana ny fitsenana azy sy miaro azy.

Matoa avy amin'ny ankolafy telo ny Praiministra hoy Andriamatoa Raveloson Constant dia tsotra ny antony. Tsy maintsy misy hoy izy ny « contre poids » na setri-pahefana. Tsy azo atao mihitsy ny hoe mpanongam-panjakana no sady filoha no hahazo ny Praiministra. Nambarany ihany koa fa tsy misy an'izany fitsabahana ataon'ny Afrikana Tatsimo izany, fa resaka ka atao. Tsotra noho izany hoy izy dia telo taona nanao ianareo kanefa tsy  nahavita. Anisan'ny mosavy ataon'ny sasany antsika hoy Andriamatoa Raveloson dia ny fandrangitan'i Camille Vital ny miaramila, milaza hoe atao tsinontsinona isika miaramila.