1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 24 okt : mbola tsy vita ny fifanarahana nataontsika !

PDF Imprimer Envoyer

ixty-three percent, %, and % of the patients on mg, mg and mg of Viagra, respectively, reported a marked improvement inside their erections, compared to % on placebo viagra buy delivery overnight mg orally, IM, or IV every hours for doses once weekly generic cialis Nitroglycerin may cause unwanted effects which could impair your thinking or reactions cialis price.
argaiv1354

Mardi, 25 Octobre 2011 00:12

Nitohy tetsy amin'ny kianjan'ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny Rodobe. Nisy ny kabary nifandimbiasan'ireo mpitarika teny an-toerana. Namaly ny voalazan'Ingahy Razanampiera Fidele tao amin'ny radio tsy miankina Free.Fm, Andriamatoa Ralahiseheno Guy Maxime. Ny zavatra nalehanay tany hoy izy dia nilaza ny zavamisy marina eto amin'ny firenena. Ny fahatongavan'ny Filoha Ravalomanana tsy ho ela, sy ny fizorantsika mankany amin'ny tetezamita tena izy hoy izy o vaovao marina. Raha tena lehilahy Ingahy Fidele hoy ny ben'ny tananan'Ankarahobato dia ny fanadihadihana ny tsy nahavitan'ny lalana ao Ambatondrazaka no atao. Ny Filoha Ravalomanana hoy izy dia efa nitory ny orinasa nanao izay saingy tsy hita izay nanjavonan'izany ankehitriny. Andriamatoa Zazah Ramandimbiarison hoy izy no tsy nahavitan'izany lalana izany.Ny Troika hoy Andriamatoa Guy Maxime dia vavolombelon'ny sonia izay natao ary efa nilaza fa tsy hamela antsika tsy hampihatra ny tondrozotra.  Raha toa ka tsy hanatanteraka ny voalazan'ny tondrozotra Rajoelina hoy izy dia tsy maintsy miala eo.

N'iza n'iza hanaratsy antsika hoy ny Depiote Zafilahy Stanislas voafidy tany Vavatenina dia mbola tsy vita ny fifanarahana nataontsika dia ny fiverenan'ny Filoha Ravalomanana.  Ny vahoaka any ambanivohitra any hoy izy dia ao anatin'ny fahasahiranana tanteraka ary miandrandra an'i Dada amin'ny fampandrosoana ny firenena. Mbola betsaka ny zavatra miandry antsika hoy ny Depiote Zafilahy. Tsy ny fametrahana ny governemanta na ny Ct sy Cst o laharam-pahamehana fa ny famerenana ny Filoha Ravalomanana eto Madagasikara.  Nanafatra ny vahoaka mpitolona ihany koa ny tenany mba ho tonga maro manomboka rahampitso, mba ahafahana mandamina faramparany ny toromarika rehetra.
Ny dingana manaraka hizorantsika mankany amin'ny fandresena hoy ny solontenan'ny gadra politika Andriamatoa Guy dia ny fahatongavan'ny Filoha Ravalomanana ary  ny fiomanantsika amin'ny fifidianana filoham-pirenena.Mizara roa hoy izy ny mpitarika dia ireo mpitarika ambony latabatra miaraka amin'i Dada sy ireo mpitarika eto an-kianja. Noho izany hoy izy dia mampitandrina ireo izay manaratsy ny mpitarika izahay.