Rodobe 22 okt : ny fodian'ny Filoha Ravalomanana no laharam-pahamehana !
Ny Depiote Jules Randriamaholison dia nanambara fa tsy maintsy manao négociation amin'ny Ankolafy telo izay mieritreritra ny ho praimnistra. Mikasika ny fanambaran'ireo jeneraly dia mazava ny tenin'ireo avy any Afrika Atsimo hoy ny Depiote Jules Randriamaholison fa ny miaramila dia tsy tokony hiditra amin'ny raharaha politika.
Ny Depiote Zafilahy Stanislas dia nanamafy fa tsy maintsy mody ny Filoha Ravalomanana ary tsy maintsy hilatsaka ho fidina hitondra ny tany sy ny fanjakana, ho antsika hoy ny Depiote Zafilahy dia ny fodian'i Dada no zava-dehibe noho ny fanendrena izay ho praimnistra.
Imanoela dia nanambara fa tsy mijanona ny tolona ety an-kianja raha tsy miverina ny Filoha Marc Ravalomanana sy mivoaka ireo gadra politika.
Ny Depiote Mektoub Camille dia nanamafy fa ny olona natolotry ny ankolafy Zafy Albert dia izy chef de file mihitsy no nanolotra azy . Tsorina ny marina hoy ny Depiote Mektoub fa misy olona ao anatin'ny Ankolafy Zafy Albert malaina amin'y fodian'ny Filoha Ravalomanana dia manakorontana izay fandaminana apetrakin'ny Filoha Zafy. Nanambara ihany koa ny Depiote Mektoub, fa diso ny filazana fa mankahala ny silamo ny Filoha Ravalomanana, satria ny tenako mihitsy no nahita azy nandray ny mpino silamo tany Mahajanga tamin'ny fotoanandro. Tsy mpanavaka ara-pinoana ny Filoha Ravalomanana na dia mijoro amin'ny maha kristiana azy.
Ny pasitera Edouarad Tsarahame dia nanambara fa tsy lavitra ny Ankolafy telo ny fidirana ao Mahazoarivo





