1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 22 okt : ny fodian'ny Filoha Ravalomanana no laharam-pahamehana !

PDF Imprimer Envoyer

Dimanche, 23 Octobre 2011 00:08

Ny Depiote Jules Randriamaholison dia nanambara fa tsy maintsy manao  négociation amin'ny  Ankolafy telo izay mieritreritra ny ho praimnistra. Mikasika ny fanambaran'ireo jeneraly dia mazava ny tenin'ireo avy any Afrika Atsimo hoy ny Depiote Jules Randriamaholison fa ny miaramila dia tsy tokony hiditra amin'ny raharaha politika.

Ny Depiote Zafilahy Stanislas dia nanamafy fa tsy maintsy mody ny Filoha Ravalomanana  ary tsy maintsy hilatsaka ho fidina hitondra ny tany sy ny fanjakana, ho antsika hoy ny Depiote Zafilahy dia ny fodian'i Dada no zava-dehibe noho ny fanendrena izay ho praimnistra.

Imanoela dia nanambara fa tsy mijanona ny tolona ety an-kianja raha tsy miverina ny Filoha  Marc Ravalomanana sy mivoaka ireo gadra politika.

Ny Depiote Mektoub Camille dia nanamafy fa ny olona natolotry ny ankolafy Zafy  Albert dia izy chef de file mihitsy no nanolotra azy . Tsorina ny marina hoy ny Depiote Mektoub fa misy olona ao anatin'ny Ankolafy Zafy Albert malaina amin'y fodian'ny Filoha Ravalomanana dia manakorontana  izay fandaminana apetrakin'ny Filoha Zafy. Nanambara ihany koa ny Depiote Mektoub, fa diso ny filazana fa  mankahala ny silamo ny Filoha Ravalomanana, satria ny tenako mihitsy no nahita azy nandray ny mpino silamo tany  Mahajanga tamin'ny fotoanandro. Tsy mpanavaka ara-pinoana ny Filoha Ravalomanana na dia mijoro amin'ny maha kristiana azy.

Ny pasitera Edouarad  Tsarahame dia nanambara fa tsy lavitra ny Ankolafy telo ny fidirana ao Mahazoarivo