1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 18okt : tsy maintsy averin'ireo mpangalatra ireo ny volan'ny Malagasy !

PDF Imprimer Envoyer

Mardi, 18 Octobre 2011 20:24

Nitohy tetsy amin'ny kianjan'ny finoana Behoririka androany ny hetsiky ny Rodobe. Nisy hatrany ny lahateny nataon'ireo mpitarika teny an-toerana.

 

nomenaFaly izahay avy any Vohemar, hoy ny Ben'ny tanàna Andriamatoa Nomena, nisolo tena ny vahoaka any an-toerana, mahita anareo maro eto an-kianja. Maro hoy izy, ny resaka avadibadikin'ny  sasany, toa an-dry Hery Raharisaina, kanefa faly izahay maheno ny vaovao aty aminareo. Maro hoy Andriamatoa Nomena ny hetraketraky ny fat any aminay. Nisy ny fitaovana nomen'ny Filoha Ravalomanana ny kaomina  kanefa nangalarin'olona izany. Tsy misy anefa ny fepetra noraisin'ny tomponandraikitra tany an-toerana. Miray tsikombakomba amin'ny mpangalatra izy ireo, ka tsy manana n'inona n'inona intsony ny vahoaka. Nanome toky ny vahoaka'ny Magro ny tenany fa vonona hitsena ny Filoha Ravalomanana. 15 amin'ireo ben'ny tanana 19 any amin'iny faritry Sava iny hoy izy, dia mbola Tim miaraka amin'i Dada avokoa.

 guymax1810Tsy maintsy avy aty amin'ny Ankolafy telo, hoy kosa Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno, ny Praiministra. Tsy maintsy atao hoy izy, ny fanadihadihana amin'ny andrimpanjakana satria betsaka ny halatra tao amin'ireny. Tsy maintsy averina amin'ny kitapombolam-panjakana hoy Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno, ny vola nalain'ireo tao. Miomana ary mahareta isika hoy izy, fa amin'izao fotoana farany izao, dia mampitandrina an-dRajoelina isika,  aza mieritreritra ny mbola hamitaka raha tsy te-handray anjara amin'ny tetezamita. Mbola misy mihevitra eto fa tsy masi-mandidy eto Madagasikara ny vahoaka malagasy.

zafilahy1810Ny Depiote Zafilahy Stanislas, kosa dia nilaza fa i Alain Andriamiseza tao amin'ny fahitalavitra iray eto  an-drenivohitra, dia nanambara fa izy no nandika ny tondrozotra tamin'ny fiteny Frantsay. Nasiany « élargissement » hoy Zafilahy ao anatin'izany. Mazava izany fa ny hahafahany mijaona ao no nataony tamin'ny tondrozotra. Mikasika ny fandefasana mpiasa any Koweit, dia nanambara ny Depiote Zafilahy, fa ariana any an-tanin'olona ireo mahantra, satria nodorana ny orinasa teto amintsika. Tsy vahaolana izany hoy izy, fa ny fiverenan'ny Filoha Ravalomanana no afaka mamaha izany.