1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 15 okt : ho ravàna daholo ireo andrim-panjakàna ireo...

PDF Imprimer Envoyer

New Indication Approved: December , online generic viagra   Consumers who may have experienced any pessimistic eff 40mg cialis viagra discount viagra.
argaiv1264

Samedi, 15 Octobre 2011 22:23

Toy ny isakin'ny Sabotsy dia feno olona hatrany ny kianjan'ny finoana eny Behoririka io tolakandro io.

Andriamatoa Rakotovazaha Olivier dia nanambara fa tsy misy izany olona neutre izany, fa ny rafitra no tokony hitandro ny neutralite, ka raha an'ny andaniny ny toeran'ny Filoha'ny tetezamita dia tokony hoa n'ny ankilany ny toeran'ny Praiminisitra. Ny Troika dia tsy maintsy mijoro hametraka izany neutralité izany.

Andriamatoa Ralaiseheno Guy Maxime dia nanambara fa tsy nitsipaka ny fahatongavan'ny Filoha Ravalomanana ny tafika malagasy. Mikasika ireo vondrona politika ao anatin'ny G7 dia mpomba an-dRajoelina daholo ireo hoy i Andriamatoa Ralaiseheno ary tsy dondrona akory ny Troika ka tsy ahalala izany.

Andriamatoa Andriampilamanana Ronstand , Filohan'ny Conseil Regional any Ihorombe dia nanamafy, fa rehefa nanao sonia ny tondrozotra dia manaiky ny fiverenan'ny Filoha Ravalomanana.

Ny Depiote Zafilahy Stanislas dia nilaza fa tsy ekena itsony ireo mpivadibadika eto amin'ny tolona, satria tsy azo lalaovina ny vahoaka. Mikasika ny andininy faha 30  ao aminn'ny tondrozotra dia rava avy hatrany ireo andrim-panjakana rehetra raha vao vitany sonia, noho izany dia tsy tokony hivory intsony ny  CT sy ny  CST, izay nantsoina hivory amin'ny Talata ho avy izao. Tsy hisy ny fankatoavana iraisampirenena raha tsy tafaverina an-tanindrazana ny Filoha Ravalomanana. Ampahafantarina ny fianakaviambe iraisampirenena fa tsy ny Filoha Ravalomanana no misisika hody an-tanindrazana fa ny vahoaka malagasy manerana an'i Madagasikara mihitsy no mitaky izany.

Andriamatoa Mektoub dia nampiomana fa tokony hitandrina isika amin'ny fitsenana ny Filoha Ravalomanana satria tsy maty voalavo an-kibo ny frantsay sy ny franc maçon.

Ny Depiote Rodin dia nanambara fa vita hatreo ny amin'ny Fat fa tsy maintsy hampiharina ny andininy faha20 ao amin'ny tondrozotra izay mahakasika ny fodian'ny Filoha  Ravalomanana.