Rodobe 14 okt : Tsy maintsy ampiharina io tondrozotra io !
Nitondra fanazavana mikasika ny fiovaovan'ny toerana sy ny fotoana hanaovana ny hetsiky ny Rodobe, ny Depiote Leriva Manahirana voafidy tany Brickaville androany teny amin'ny kianjan'ny finoana Behoririka. Mihazakazaka hoy izy, ny raharaham-pirenena satria miova isaky sengodra sy ny minitra ny vaovao. Tsy maintsy manaraka ny toerana hanatontosan'ny Troika ny dinika isika ka noho izany, hoy izy dia aza gaga raha miovaovao izay. Manantena isika hoy ny Depiote Leriva, fa tsy maintsy ho amin'ny tombontsoantsika ny zavatra hivoaka ao. Ny zava-dehibe amintsika hoy ity olomboafidy ity, dia ny fampiharana ny tondrozotra, ary indrindra ny famerenana ny Filoha Ravalomanana eto an-tanindrazany. Raha tsy tanteraka izay faniriantsika, sy ny voalaza ao anaty tondrozotra hoy hatrany izy, dia tsy miala eto amin'ny kianja isika. Izay miraviravy tanana sy kivikivy dia hampiakaro ny moraly hoy ny Depiote Leriva, fa tsy maintsy mandresy isika.
Aoka tsy hiolakolaka Ingahy ministra hoy Andriamatoa Ralahiseheno Guy Maxime, fa matoa tonga eto ireo manamboninahitra ireo, dia iraka avy amin'ny Sadc ary tomponandraikitra amin'ny filaminana eo amin'ny firenena mpikambana ao amin'ny Sadc. Aoka hazava hoy izy ny resaka, fa matoa nanao sonia ny fiarahamiasa ho an'ny tondrozotra natao sonia ny 17 septembra teo dia manaiky. Mazava ihany koa hoy izy, fa manaiky ny foloalindahy amin'ny fodian'ny Filoha Ravalomanana sy ny fampiharana ny tondrozotra. Noho izany hoy Adriamatoa Guy Maxime, dia misaotra anao sonia.
Nisaotra ny vahoaka ny Depiote Rodin, noho ny fiarahana niaritra ny mafy teny ankianja. Nambarany ihany koa fa tapi-dàlan-kaleha ny fat, satria tsy nety intsony ny lainga ary tsy voafitaka ny Sadc. Ingahy vaky tampona hoy izy, tany Bruxelle dia mbola mahavita mandainga ihany. Taloha hoy izy, no mety izay fa aza manantena tsy misy amin'izao andro mazava izao. Nilaza ihany koa, hoy ny Depiote Rodin, ny elatra Raharinaivo fa miaraka amin'ny Ravalomanana. Vava tsy nisy ohatra izany hoy izy, mipetraha ianareo, vizàna sandry ao amin'ny Magro. Izao no lazainay anareo, tsy gaigy tahaka anareo hoy ny Depiote Rodin ny vahoaka. Na nihazakazaka namonjy ny olona teny Paon d'or aza hoy izy, dia notsipahan'ny olona ambavafo, ka tsy hita izay aleha. Raha hiakatra eto amin'ny Magro kosa dia eto efa be vato, ary handeha ho an'ny amin'ny Filoha Ravalomanana aza, izy efa niteny fa tsara tso-drano.
Namaly an'Ingahy Ndremanjary kosa Andriamatoa Mektoub, ny amin'ny hoe Magro no mampihorohoro, miampy ny fidiran'ny Filoha Ravalomanana isaky ny faran'ny herinandro amin'ny telefaonina. Aoka hoy izy, ho fantatr'izao tontolo izao fa tsy isika eto no hampiady na ho tonga hampihorohoro. Mikasika ny lainga afafy, fa tonga hanafika ny miaramilan'ny Sadc, dia mazava hoy izy, fa izy samy miaramila ihany no mifanala-baraka ao. Tamin'ny mbola tsy tonga ny miaramila'ny Sadc hoy izy, dia nilaza ny miaramila gasy fa avelao ho tonga hanaovanay fanazarantena. Ankehitriny anefa hoy izy, dia manaiky ny fahatongavany iraky ny Troika izy ireo. Tsy maintsy ampiharina io tondrozotra io hoy izy, noho izany dia aza apetraka intsony ny fanontaniana hoe dia ho very maina ve izany ny zavatra nataonay teto ? Tamin'ny vazivazy no nilazany fa tokony ho asiana jiro eto amin'ny Magro, fa tsy haintsika izay avoakan'ny ampitso.





