1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 12 okt : Ny hery tsy mahaleo ny fanahy !

PDF Imprimer Envoyer

the hepatitis medications boceprevir or telaprevir price canadian best drugstore Good strong erections tadalafil dosage. for those who have recently had a cardiac event no generic non viagra prescription.
argaiv1899

Mercredi, 12 Octobre 2011 20:09

Na dia nambara aza fa hitsena ny delegasiona avy amin'ny Troika ny Rodobe androany eny Ivato, dia tsy raikitra tamin'ny ora farany izany. Nisy ny sms nalefa tamin'ireo olona efa tonga teny Ivato, ny maraina, milaza hoe miverena isika fa eny ankianja no fotoana ny tolakandro.Nitondra fanazavana mikasika izany ny Depiote Zafilahy teny an-toerana. Ramalina aza mifehy azo tokana hoy izy. Rehefa nilaza isika hoy izy, fa ho eny Ivato, omaly dia nisy zavatra tsy nampoizina avy any amin'ny mpitarika. Raisinay am-pitiavana hoy Zafilahy, ny fanakianana sy ny hatezerana tany aminareo vahoaka. Aleonay hoy izy, izahay no ratsy toy izay ny zavatra niaretantsika teto no rava. Nilaza tamin'ny Troika ireo vondrona valo fa ho tonga eny Ivato ny vahoaka marobe, satria naheno anay tamin'ny fahitalavitra. Efa nisy olona voakarama hoy ity olomboafidy ity, hitondra banderole sy hanao akanjon'i Dada. Ny zavadoza hoy izy, dia rehefa tonga ny Troika, dia hisisika any anaty olona ireny voakarama ireny, ka hanokatra ny banderole tsimoramora, izay misy soratra hoe tsy ekenay ny fiverenan'ny Filoha Ravalomanana. Hitan'ny havany ao ireo hoy ny Depiote Zafilahy, ary nangasihasy satria efa lasa ny vahoaka. Nanome toky ny vahoaka mpitolona ny tenany, fa raha mbola misy ny ohatra ireny dia tsy maintsy misy mpitarika milaza amin'ny vahoaka. Ataontsika feno hoy izy, eny Ivato rahampitso sy afak'ampitso.

Naneho ny hafaliana kosa ny Depiote Login, nahita ny vahoaka tonga maro. Vao omaly ny tenako hoy izy, no tonga avy any Androy ka avy hatrany dia nandeha aty an-kianja. Tamin'ny 28 Desambra 2010 no niala teto Antananarivo ny tenako hoy izy, namangy ny fianakaviana.Nanome toky ny Filoha Ravalomanana ny Depiote Login, fa mbola misy parlementera manohana anao any Androy. Tsy adinon'ny vahoaka any Androy hoy izy, ny zavabitan'ny Filoha Ravalomanana amin'ny fampandrosoana iny faritra iny. Izahay parlementera voafidy avy any, hoy izy dia vavolombelona vonona hiaraka aminao amin'izay fampandrosoana izay.

Tsy manana fiara io fitondrana io, hoy ny Depiote José avy any Antsirabe, satria mangalatra ny fiaran'ny Unicef sy 4x4 ny parlementera. Raisintsika an-tanana hoy izy, ny raharaha, ary averintsika eto i Dada.  Isika hoy izy, dia mitaky ny fiverenan'ireo sesitany politika any ivelany, famoahana ny gadra politika rehetra, ny fahafahana miteny. Ny parlementera rehetra hoy ny Depiote José, dia aty amintsika avokoa, fa ireo sady « mi parle no menteur » no namadika.

Ny hery tsy mahaleo ny fanahy hoy Adriamatoa Raveloson Constant.Mahamenatra hoy izy, ny nataon'ny sasany tany Addis Abeba, satria ny olona tany dia niteny hoe efa lasa any aminareo ny troika ka inona no mbola ataonareo aty. Ny fanontaniana napetraky ny Troika hoy Andriamatoa Constant dia ny hoe aiza ny mouvance sasany, inona avy no zavatra vita taorian'ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra mba hampisy fitoniana. Ny taty amintsika hoy izy, dia nilaza fa izao no nataonay. Efa nivoaka ny kianja ho eny Ambohijatovo izahay, fa tsy navela.  Tsy nitsahatra niteny izahay hoe foano ny fanenjehana izay mbola ho henjehina, avoahay ny gadra politika.Ny mpandresy hoy Adriamatoa Constant, dia tsy maintsy mandamina ny tany sy ny firenena. Isika hoy izy, dia efa eo am-pijerena amin'ny antsipiriany ny hoe ahoana no ahatafavoaka ny baolina. Noho izany dia eto amintsika ny baolina hananganana tetezamita tena izy.Mba tiako ho hita hoy Adriamatoa Raveloson Constant, ireo nanao ratsy teto Antananarivo, mba hahita an'Antananarivo ho velombolo.

Marihina fa amin'ny Sabotsy izao, dia hanao fanambarana lehibe Andriamatoa Jaolahimena, mikasika ny  zavamiafina tamin'ny 07 Febroary 2009.