1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 10 okt : Efa miroso amin'ny fandresena isika !

PDF Imprimer Envoyer

Lundi, 10 Octobre 2011 18:55

Hitsena ireo delegasiona avy amin'ny Troika eny Ivato ny Rodobe amin'ny Alarobia 12 oktobra 2011 izao. Ireo nandaha-teny teny amin'ny Magro androany, dia samy nanao fanentanana mikasika ny fahatongavana maro amin'io fotoana io. 09 Oktobra 2008- 09 Okotobra 2011, telo taona hoy Andriamatoa Jeanson no nisian'ny fanoganam-panjakana teto. Telo taona aty aoriana hoy izy, dia ajanontsika hatreo ny adalan'ny foza, ary atsangantsika ny tetezamita tena iraisana. Kihon-dalana iray eo amin'ny tantaran'i Madagasikara hoy Andriamatoa Jeanson ity herinandro ity.  Raha nirehareha hoy izy, Camille Vital fa tsy misy miaramilan'ny SADC miditra eto, dia izao fantatra fa ho avy ny manamboninahitra avy amin'ny Troika. Tsy hilalao akory hoy izy, fa handamina-javatra ireo iraka ireo. Rehefa tsy hanao ny miaramilantsika hoy hatrany Andriamatoa Jeanson dia ireo vahiny ireo no hibitsika amintsika. Hampianatra ireo miaramilantsika ny atao hoe tsy fiandaniana hoy izy, ireo manamboninahitra ireo.

Faly izahay avy any Toliary hoy Adriamatoa Manoela sy Tsianihy, raha niaraka niakatsehatra, satria efa mangoron'entana amin'izao isika miteny izao i Camille Vital hody any Toliary. Tsy Toliary hoy izy ireo, no mangalatra meuble fa  Camille no mangorona ny ao Mahazoarivo. Mandehana ianareo mody any, hoy Andriamatoa Manoela fa tsy tian'ny olona. Hanao hetsika lehibe amin'ity herinandro ity ny any amin'iny faritry Toliary hoy Andriamatoa Tsianihy noho izay fialan'i Camille Vital izay. Nanome toky ny vahoaka ireto zanaky Toliary ireto, fa vonona hitsena ny Troika eny Ivato ny Alarobia izao.

Ny Pasitera Edouard sy Guy Maxime Ralahiseheno ary ny Depiote Rodin Rakotomanjato, dia nanao Trio teny amin'ny lampihazo. Tamin'ny alalan'ny vazivazy antsoina hoe fandaharana paingotra no nampitan'izy ireo ny hafatra. Misy fanafody antsoina hoe R8 hoy ny Pastera Edoaurd, atsy Afrika Atsimo, ka ireo olona sempotra sy marary kibo no omena izany. Ny Depiote Rodin dia nanao valin-kafatra ho an'ny Jeneraly Ramakavelo izay milaza fa ahoana no hahatongavan'ny miaramilan'ny troika eto. Ny nataoareo ihany hoy izy, no nahatonga izay. Nohamafisiny fa tsy nanao sesitany ny tenany ny Filoha Ravalomanana fa nampihorohoroana tamin'ny tafondro. Ny zavatra hitranga eto hoy izy telo mirahalahy, rehefa tonga ny Troika dia ny fampiharana ny tondrozotra. Mazava ny voalaza ao andininy faha 30 fa tetezamita iraisana, ary ny andininy faha 20 kosa hoy  izy ireo, dia milaza fa mody tsy misy fepetra ny filoha roalahy.

Mpirahalahy mianala isika hoy Adriamatoa Bemanaha, filohan'ny ankolafy telo any Manakara, ka na inon'inona dia tsy hisaraka. Efa miroso amin'ny fandresena isika hoy izy, satria raha nieritreritra ny fat, fa mbola hitondra ny fitondraa mitanila dia tsy eken'ny vahoaka marobe izany.