Rodobe 8 okt : mahatoky ny delegasiona any Afrika atsimo isika !
Nisantatra ny kabary teny an-kianjan'ny finoana Andriamatoa Ignace avy any Moramanga. Mikasika ny tsy fampiharana ny feuille de route hoy izy dia ny toetra ratsin-dRajoelina no mahatonga izany. Ho antsika hoy ity solontena avy any Alaotra Magoro ity dia tsotra, rehefa tsy vonona amin'ny fiaraha mitantana i Rajoelia dia aleo ampiharina ny T SAR na ny Transition Sans Andry Rajoelina.
Andriamatoa Rakotovazaha Olivier dia nanambara fa mandany andro ireo G8 mikasa hihaona amin'ny Troika, ny frantsay hoy Andriamatoa Rakotovazaha Olivier no manome hevitra ratsy ho azy ireo. Ny antsika dia tsotra ny tadiavina : mody ny Filoha Ravalomanana sy Ratsiraka.
Andriamatoa Feno Imanoela mpitarika ny Tanoran'i Marc Ravalomanana (TMR) dia mahitsy ny filazany fa tsy mila andRajoelina hitondra ny tetezamita . Nampiomana ny mpiasampanjakana Imanoela mba samy hanaramaso ny fitaovampanjakana fa ho avy ny firodanan'ny fitondrana. Nafarany ihany koa ireo mpiasa ao ami'ny Rnm sy Tvm mba hiova amin'izay satria tsy maintsy hiala avokoa ireo mibaiko azy ireo. Momba ireo gadra politika dia niantso ny Cemgam izy hijery ireo frères d'armes.
Ny Depiote Radriamaholison Jules dia nanambara fa fandatsana ny malagasy ny fanomezana azy vary dimy kilao isan-kerinandro. Maninono hoy izy raha jerena izay tokony hanomezana asa azy ireo. Mikasika ny fihaonana any Afrika Atsimo dia nanambara ny Depiote Jules fa ny delegasiona nalefa any Afrika Atsimo dia manana ny maha izy azy ny antsika.





