1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 7 okt : Manankasina ny firenena !

PDF Imprimer Envoyer

Samedi, 08 Octobre 2011 09:44

Tao anatin'izay telo taona izay hoy Andriamatoa Ralaiseheno Guy Maxime, teny amin'ny magro androany, dia sempotry ny lacrymogène, kanefa mbola mijoro hatrany. Ry zalahy hoy izy, hazakazaka kely iny dia mahasempotra azy. Raha nandritra izay fotoana lavalava izay hoy izy, dia tsy diso isika, tsy diso ny Filoha Ravalomanana, tsy diso ny Filoha Ratsiraka, tsy diso ny Filoha Zafy, nikatsaka ny tena tombontsoam-pirenena. Tsy nandiso anao hoy Andriamatoa Guy Maxime, ny fitiavan-tanindrazana nijoroanao. Ankehitriny isika dia mahatsapa fa nanao ezaka lehibe ho an'ny tombontsoan'ny firenena. Amin'izao isika miteny izao, hoy izy dia mitranga daholo ireny zavatra ireny satria manao izay tsy sitrapon'Andriamanitra, manao fahotana mahafaty mpitondra fat.Nambaran'Andriamatoa Guy Maxime ihany koa, fa raikitra ny ady saritaka ao amin'ny fat. Namoaka vava tamin'ny Yves Aimé sy Raharinaivo, hoy izy ny Tgv, milaza fa mandehana ianareo miverina any amin'izay niavinareo. Izahay tsy handray hoy ny filohan'ny ben'ny tanana eto Madagasikara, fa manana ny ampy izahay, manana ny mahavita azy. Mivonona isika hoy izy, amin'ny fahatongavan'ny Troika eto. Asehontsika an'izao tonntolo izao, hoy izy fa tsy diso isika amin'ny tolona ataontsika.


Tafita ny hafatra hoy ny Depiote Zafilahy Stanislas, voafidy tany Vavatenina, satria afaka nanazava ny zavamisy eto ny senatera Naika Eliana manatrika ny fivorian'ireo parlemantera ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Mazava hoy izy, ny voalazan'izy ireo fa tsy misy fankatoavana iraisam-pirenena eto, fa miankina amin'ny fampiharana ny tondrozotra.Mikasika ny vondrona valo lasa any Afrika Atsimo, dia nambaran'ny Depiote Zafilahy, fa tsy mahataitra antsika izany. Tsy azo ahodikodina ny Troika, hoy izy fa efa mazava ny voalazan'izy ireo dia  tsy misy fampiharana ny tondrozotra eto raha tsy tonga ny Troika. Tsy misy atahorana hoy hatrany izy, fa isika manana ny matanjaka any.Nivory ny Troika, hoy Zafilahy tamin'ny herinandro lasa teo, ka rahampitso Sabotsy no hanao valandresaka ho an'ny mpanao gazety any Afrika Atsimo izy ireo, hanao tatitra ny fivoriana ary ny mikasika ny fiverenan'i Dada.Ankoatra izay dia nambarany, fa noho ny fialonana dia noezahina nopotehina sy nolotoina ny Filoha Ravalomanana. Aza mba manao ratsy eto amin'ity firenana ity, hoy izy fa manankasina ny firenena.