1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Ho avy ny Troika hampihatra ny tondrozotra !

PDF Imprimer Envoyer

Jeudi, 06 Octobre 2011 19:40

Hihetsika avokoa ny faritra rehetra amin'ity faran'ny herinandro ity, hoy Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno teny amin'ny kianjan'ny finoana androany. Noho izany hoy izy, dia tsy dilan'ity volana ity ny tolona. Tsy maintsy faranana izao krizy izao. Amin'ity volana ity ihany koa hoy izy, dia maro ny zavatra hitranga. Haka rétraite politika hoy izy, ireo goaika antitra, ka anisan'izany Marson Evariste, Rajoelina, ary Camille Vital. Nohamafisiny fa tsy misy fanendrena Praiministra eto, raha tsy ny ankolafy telo, no manolotra izany. Ho avy hoy izy ny Troika hametraka ny fampiharana ny tondrozotra. Ny Filoha Ravalomanana hoy Andriamatoa Guy Maxime dia nilaza, tamin'ny Troika fa aleo izaho no handeha mialoha aty Madagasikara. Tsy nanaiky izany anefa ny Troika, fa izy ireo no ho avy mialoha, noho izany hoy izy, dia tsy maitsy ho tonga ireo  filoha roalahy.

 

Efa nandefitra isika hoy Andriamatoa Rakotoamboa Jean Louis, tamin'ny tondrozotra ireny, kanefa mbola misy ny rahombava ataon'i Rajoelina. Nampatsiahy ny tantara ihany koa ny tenany, toy ny 26 Janoary 2009, sy 07 Febroary 2009 ary ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena. Tsy afa miala amin'ireo hoy izy Rajoelina, satria heloka be vava avokoa ireo rehetra ireo. Manoloana ireo dia fanontaniana no napetrany ho an'ny Jeneraly Richard, fa maninona no tsy samborinareo ireo kanefa manao heloka be vava ? Rehefa tsy hanao ianareo hoy Andriamatoa Rakotoamboa dia ho avy izahay amin'ity volana ity, hisambotra an'ireo.

 Nisaotra ny Pr Zafy kosa ny Depiote Rodin Rakotomanjato, tamin'ireny voalazany ireny. Rariny ny azy hoy ny Depiote  Rodin satria tany Addis Abeba mbola tsy nisy resaka Andramena. Amin'izao fotoana izao hoy izy, dia ny resaka vatosoa idray no alaina antsokosoko. Ireo olona izay mafy ady no karamaina hoy izy, fa ireo lehibe tsy sahy miseho masoandro. Any Androy hoy ity olomboafidy ity, dia misy hélikopitera manidina foana. Tsy mandalo seranam-piaramanidina izy io, fa avy hatrany dia lasa any ivelany.