Rodobe 5 okt : Manana ny fomba fampiharana ny tondrozotra ny Troika !
Amin'izao fotoana izao hoy ny Depiote Jules Randriamaholison, teny amin'ny Magro androany dia mivory any Bruxelle ny Parlementera eoropeana sy ACP. Ny Filoha Ravalomanana hoy izy, dia nandefa iraka any amin'ny alalan'ny senatera Naika Eliana. Ny fat ihay koa hoy izy, dia nandefa olona any. Ny filohan'ny vondrona parlementera eoropeana Andriamatoa Louis Michel, hoy ny Depiote Jules dia nilaza fa faux parlementera ireo iraky ny fat ireo, ka tsy noraisiny. Mikasika ny fanendrena ny Praiministra dia nambarany, fa mazava ny voalaza ao anatin'ny tondrozotra, fa tsy olona ao anatin'ny akolafy Rajoelina no eo amin'izany toerana izany. Ny Troika hoy ny Depiote Jules dia manana ny fomba fampiharana ny tondrozotra, ka jerena amin'ny ankapobeny ny mikasika ireo andrim-panjakana tsirairay, toy ny isan'ny Ct sy Cst ary ny governemanta.
Ny vaovao farany hoy Adriamatoa Mektoub, dia misy ny tetika maloto ataon'ny fat. Entina any Fianarantsoa ireo manamboninahitra any Tsiafahy hoy izy, ka rehefa tonga ao amin'ny tetezan'ny Fatihita dia atao ny operation. Noho izany dia nanao antso ho an'ireo fianakavian'ireo gadra ny tenany mba tsy hanao sangisangy izany.
Andrasana ny fahatongavan'ny iraky ny Troika eto, hoy Andriamatoa Tabera satria nisy ny fanitsiana ny tondrozotra nataontsika any. Nanao tatitra ny zavamisy ao anatin'ny ankolafy Zafy ihany koa ny tenany. Ny Pr Zafy hoy izy, dia nilaza fa tsy manaiky an'i Rajoelina ho filohan'ny tetezamita satria efa nisy ny taratasy fitoriana any amin'ny fitsarana, fa mpangalatra ny harem-pirenena izy, ka tsy mendrika hitondra firenena. Efa hodinihin'ny mpitsara hoy Adriamatoa Tabera io fitoriana ny Pr Zafy io, ka ho hitantsika eo ny tohiny.
Nanao antso ho an'ny Troika kosa Andriamatoa Manoela. Tongava haingana ianareo hoy izy, eto Madagasikara, satria io ihany no lalana ivoahana amin'izao krizy izao. Maro no efa lasa hoy izy, ka avelao handeha any, fa izay mijanona dia mijanona. Rehefa miala Camille Vital hoy izy, dia mivoaka avokoa ny gadra politika rehetra. Fa rehefa tsy avoaka ireo dia isika mihitsy no mamoaka azy ireny any am-ponja. Nohamafisin'i Manoela fa tsy maintsy miverina ny Filoha Ravalomanana, ary eto izahay no miandry azy.





