1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 4 okt : manao izay afany ny Fat tsy hialàna aina ! !

PDF Imprimer Envoyer

Mardi, 04 Octobre 2011 19:55

Nitohy tetsy amin'ny kianjan'ny finoana Behoririka, androany ny hetsiky ny Rodoben'ny Malagasy ho an'ny Tanindrazana.  Ny Depiote Henri Randrianjatovo, voafidy tany Faratsiho dia nanambara fa  tsy tokony hisy intsony ny zavatra toy niseho tany Addis Abeb, ka ho lavina indray ny sonia vita.  Rehefa tonga ny Troika hoy  izy, dia rava io governemanta io. Ny pitsopitsony fotsiny sisa no atao amin'izany tondrozotra izany.  Mbola nohamafisinay tamin'ny fivoriana niaraka tamin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny sadc tamin'ny Sabotsy hoy ny Depiote Henri, fa tsy mila ny sonian'i Salamao isika. Anisan'ny mahatezitra ireo ao amin'ny fat hoy izy, ny amin'ny élargisement. Ireo olona nanao sonia ny tondrozotra no hampidirana ao hoy ny fanazavana. Ny soso-kevitra azo atao hoy ny Depiote Henri Randrianjatovo,  dia samy manana ny 50% avy any ankolafy efatra, ka ny any Rajoelina dia zarainy amin'ireo vondrona valo. Nanafatra ny vahoaka ihany koa ny tenany, mba tsy hiroaroa saina amin'ny lainga afafin'ny sasany etsy sy eroa.

Misy mampanantena volana ny sasany hoy kosa ny Depiote Zafilahy voafidy tany Vavantenina, ka mizara vary 5kg isaky ny Zoma. Raha i Andry Rajoelina hoy izy, dia tsy hiverina eo izany intsony. Milaza ihany koa ny fat hoy izy, fa hampiditra maimaim-poana ny mpianatra . Ny zavamisy anefa hoy izy, dia  tafaresaka tamin'ny chef cisco ny tenako. Nilaza io chef cisco io, hoy ny Depiote Zafilahy, fa nanatona ny ministera, ary nasain'izy ireo nody fotsiny fa tsy nahazo valinteny mazava. Hay ve ka vava fotsiny hoy izy, no nataon'ny fat.Misy tetika maloto ataon'ny fat ihany koa hoy izy, amin'izao fotoana zao. Ataon'izy ireo izay fomba hisakanana ireo avy any amin'ny faritra, mba tsy hitsena ny Filoha Ravalomanana. Rehefa avy eo izy milaza hoe tsy misy olona manaraka intsony Ravalomanana. Izao no ambarako amintsika hoy izy, efa misy paikady entina hitsenana ny Filoha Ravalomanana eny Ivato. Ary ny vahoaka eto Antananarivo ihany koa dia betsaka no ho avy amin'ny fitsenana azy.Ny zavatra andrasantsika hoy ny Depiote Zafilahy, dia ny fahatongavan'ireo raiamandrenintsika ireo hitondra soa ho an'ny taranaka. Manana adidy isika amin'ny fanarenana ny toe-tsaina sy ny fiarahamonina teto.