1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 3 okt : tsy maintsy hisy ny sommet des chefs de file !

PDF Imprimer Envoyer

Lundi, 03 Octobre 2011 21:35

Vao niteny isika hoe hanao barrage eny amin'ny lalam-pirenena hisakanana ny fitondrana ireo gadra politika hotsaraina  any amin'ny faritany dia natahotra ny fat hoy Imanoela. Tsy maintsy ny Troika hoy izy no manao ny fanatanterahana ny tondrozotra, izay vao mipetraka ny tetezamita iraisana.
 

Eo ihany koa vao misy Praiministra iraisana, ka  miala i Camille Vital. Noho izany hoy Imanoela, dia  avoahy ny gadra politika indrindra ny miaramila. Nanamafy ny antso ho an'ny Cemgam  ny tenany mba hijery ireo manamboninahitra ireo satria ireo no manahirana any Tsiafahy.  

 

Mila mitandrina isika hoy ny Depiote  Mektoub fa manahirana ny fat ny fahendrentsika, ny filaminantsika ary ny firaisankinantsika. Nanamafy ny Depiote Mektoub fa tsy rava ny ankolafy telo. Tsy tapaka ny mifampita vaovao hoy izy ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana, Ratsiraka, Zafy.

 Andriamatoa Guy Maxime dia nanao tatitra ny dian'izy ireo tany Mahanjaga ny faran'ny herinandro teo. Isaorana hoy izy, ny Filoha Ravalomanana niditra mivantana tany an-toerana. Efa ao amin'ny Magro ihany koa hoy izy, ny Rodobe no manatanteraka ny hetsika isaky ny Sabotsy. Nanambara ihany koa Andriamatoa Guy Maxime, fa i Andry Rajoelina no tokony hanambitamby ny filoha  telo lahy hiresaka aminy satria izy no fototry ny krizy, ka na hiresaka na tsia i Andry Rajoelina dia tsy maintsy hisy ny sommet des 4 chefs de files. Noho izany hoy izy, dia tsy maintsy tanteraka ny fahatongavan'ny Filoha Ravalomanana sy Ratsiraka eto. Ho avy amin'ity  herinandro ity, ny Troika hoy Andriamatoa Guy Maxime hametraka ny fampiharana ny tondrozotra.

Ny Depiote Zafilahy dia nanamafy, fa tsy Antananarivo no nanongana ny Filoha Ravalomanana, fa nisy ireo mpanao politika avy amin'ny faritany niaraka tamin-dRatsirahonanana sns..Ho avy ny Troika hoy ny Depiote Zafilahy ka ho hita eo ireo avy any amin'ny faritra. Koa mampitandrina izahay hoy ity olomboafidy ity, fa tsy ekenay intsony ny fisakanana ireo fiara avy any amin'ny faritany toy ny tamin'ny 19 Febroary teo.