1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 1 oktobra :"Tsy maintsy hody aho" hoy ny Filoha Ravalomanana

PDF Imprimer Envoyer

Samedi, 01 Octobre 2011 00:00

Niditra mivantana teny amin'ny kianjan'ny Magro Behoririka ny Filoha Ravalomanana androany  Sabotsy 01 Oktobra. Nambarany tamin'izany fa nisy ny fivorian'ny Troika ny alakamisy teo ka mila miteny isika satria misy ny manely tsaho. Nanatitrantitra ny Filoha Ravalomanana fa efa fantatry ny Troika fa taorian' ny fanaovantsonia  ny 16 septambra dia namoaka ny didy fampisamborana ahy ny Fat. Fantany ihany koa fa nilaza ny handefa miaramila aty Afrika Atsimo izy ireo. Tsy misy miaramila afaka  misambotra ahy  izany fa mirediredy mahamenatra fotsiny ilay jeneraly ary ny Troika dia vonona handray ny fepetra ho fiarovana azy amin’izany. Rehefa voasonia ilay tondrozotra dia tokony rava avokoa ireo natao sonia teo aloha, ny dikan'izany  tsy tokony hiteny ireo milaza ho tompon'andraikitra efa nilaza aho, aza misahirana maka ahy aty fa ho avy aho ary tsy matahotra fitsarana ny tenako.

Mikasika ireo fivoriana etsy sy eroa dia tsy tokony manatrika izany ianareo ao anatin'ny ankolafy raha vao fivoriana tsy miaraka amin'ny Troika. Momba ny fankatoavana iraisampirenena dia  tsy hisy izany raha tsy tafody an-tanindrazana aho satria ao anatin'ny sonia izany.Ny hafatro dia aza matahotra fa tsy maintsy hody aho satria hapetraka tsy ho ela ny birao maharitrin'ny Sadc handamina izany.

Henoy eto ny antso :

Andriamatoa Raveloson Constant dia nanambara fa tetezamita tsy fantampiaviana izao misy izao. Tsy mbola misokatra ho antsika ny RNM sy TVM, tsy mbola voakarakara ny gadra politika.Rehefa miteny ilaikely fa tsy misy izany fihaonana antampony izany dia ilazao izy fa ny sonia nataonareo efa-mianaka dia tsy mbola vita . Tsy an-dRajoelina ny tetezamita ka izy no hanendry ny tompon'andraikitra rehetra. Ny Praimnisitra dia tsy anjaran-dRajoelina sy Ratsirahonana no manendry azy, fa rehefa tsy hiresaka amin'ireo filoha telolahy voafidimbahoaka  Rajoelina dia aleo izy manangana firenena any ivelan'i Madagasikara.

JavaScript est désactivé!
Pour afficher ce contenu, vous devez utiliser un navigateur compatible avec JavaScript.