1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 23 sept : diso paika izay mitady fifandonana eto Madagasikara !

PDF Imprimer Envoyer

Samedi, 24 Septembre 2011 00:21

Nitohy tetsy amin'ny Magro Behoririka androany, ny hetsiky ny Rodoben'ny Malagasy ho an'ny Tanindrazana. Vory lanona ny vahoaka ary teny ihany koa ireo mpitarika nanazava ny toe-draharaham-pirenena sy nampita vaovao ho an'ny rehetra.Ny Depiote Zafilahy dia nisaotra ny zanak'i Dada. Na mandeha taxibe, na mandeha eny an-dalana hoy izy, dia milaza daholo fa izahay dia zanak'i Dada ary miandry ny Filoha Ravalomanana, ho hitanareo eo ny ataonay.Ny ambadik'ireny fanambarana ireny hoy izy, dia fantatry ny fat tsara fa efa mientanentana isika, miandry ny Filoha Ravalomanana. Rehefa tonga eto izany lehilahy izany, hoy ny Depiote Zafilahy dia hitondra fampandrosoana lehibe, tsy ara-politika fotsiny, fa ara-toekarena izay hanome asa ireo tsy an'asa. Ny zavatra ataon'ny fat hoy izy, dia nofandrihany isika, dia nalefany ilay resaka. Noeritreretiny hoy ny Depiote Zafilahy, fa ho sorena ny zanak'i Dada dia ho raikitra ny rombo eto an-tanana. Entina handotoana antsika izany, amin'ny filazana hoe io ary fa ny fahatongavan'ny Filoha Ravalomanana eto dia miteraka korontana. Ny zavatra tsy nampoiziny hoy izy,  na dia notomerina miaramila aza ny kianja, dia niditra moramora tato ankianja isika. Tsy nisy zavatra simba, tsy nisy korontana. Na tiany na tsy tiany hoy ity olomboafidy ity, dia tsy voasakana intsony ny fahatongavan'ny Filoha Ravalomanana eto. Diso paika hoy izy, izay mitady fifadonana eto amin'ity tany ity. Nambarany Depiote Zafilahy ihany koa fa vero taingenam-pody izahay, tsy folaka fa milefitra. Misy fetrany hoy izy, ny fandeferana. Izany Ravalomanana izany hoy izy, dia tsy ho voasakana intsony, koa asakasakao. Nampitandrina ireo izay manam-pikasana ny hikitika ny Filoha Ravalomanana ny Depite Zafilahy, rehefa tonga eto an-tanindrazana. Tsy handefitra amin'izany izahay hoy izy.

N'inona n'inona ataon'ialahy, dia resy ialahy hoy Ramatoa Fanja mpitarika ny tanora Tim. Nanao fampanantenana poak'aty hoy izy, Rajoelina teny amin'ny kianjan'ny 13 May, toy ny vary mora sy ny menaka mora. Ny fifidianana ihany koa dia natao dokambarotra amin'ny fahitalavitra, fa hoe hanao fifidianana ben'ny tanana. Hatramin'izao anefa ireny hoy izy, dia tsy tanteraka akory. Ny zavatra vitan'ny Rajoelina teto hoy Ramatoa Fanja dia ny fandrobana sy famonoana olona.  Mikasika ny fisamborana ny Filoha Ravalomanana dia nilaza ny tenany, fa tsy misy lalam-panorenana eto afaka mitsara azy, ary tsy nanao heloka ny Filoha Ravalomanana. Mahatsapa izahay, tanora Tim hoy izy, fa izy ihany no afaka mampandroso ny firenena, noho izany dia tohananay hatramin'ny farany.

Mahagaga hoy kosa ny solontenan'ny Moramanga, fa olona niaraka nanao sonia anao izao dia sahinao ny manome didy fampisamborana azy. Olona manana mauvaise foi hoy izy ny manao izany.Raha tena demokratika marina i Camille Vital hoy ny solontenan'i Moramanga dia mametra fialana, fa tsy andrasana ho trongisina eo. Mikasika ny fanambaran'ny Pr Zafy dia nambarany fa zon'ny tanteraka no manao ireny. Raha misy aminareo hoy izy, no mahatsiaro tena fa tafiditra tao anatin'ireny ny anaranareo dia manaova fanambarana amin'ny gazety, fa hoe manala baraka anay ny Pr Zafy. Herinandro no fe-potoana omenay anareo hanaovanareo izany.