Rodobe 22 sept : andro sisa isaina dia ho tonga ny Filoha Ravalomanana !
Matoa isika naharitra eto hoy ny Depiote Leriva Manahirana, voafidy tany Brickaville, teny amin'ny Magro androany, dia noho ny tombontsoan'ny taranaka fara amandimby. Ny hafatra hoy izy, dia mazava fa n'inona n'inona hevitra ataon'ny Camille sy Andry Rajoelina dia tsy ho lova ho an'ny Camille ny toeran'ny PM. Tsy maitsy miala i Camille hoy ny Depiote Leriva, ary raha izy no mbola eo dia tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany.
Asaina miteny etsy sy eroa avokoa ny antoko rehetra milaza fa hosamborina ny Fioha Ravalomanana, hoy ny Depiote Zafilahy Stanislas voafidy tany Vavatenina. Mazava ny voalazan'ny Filoha Ravalomanana hoy izy, fa tsy matahotra fisamborana izany. Tokony amin'ny Sabotsy izao no ho tonga eto Madagasikara ny tenany hoy izy, saingy ireo namana any amin'ny faritra no nilaza fa tsy tratra izany fa mila miomana. Hoporofointsika fa ataonay maizina Antananarivo amin'io fitsenana io. Ho avy avokoa ny any amin'ny faritra hoy izy. Andro sisa isaina dia higadona eto ny Filoha Ravalomanana. Fantatry ny mpitondra fat hoy izy, fa tsy azo sakanana intsony ny fiverenan'i Dada, dia manao izay hampiakarana ny lanjan'ny Rajoelina izy ireo. Milaza i Andry Rajoelina hoy izy, fa tany misy lalàna eto, ka ny tomponandraikitra no mijery izany. Ingahy Rasolosoa Dolin hoy ny Depiote Zafilahy, dia avy hatrany dia niteny fa manana fahendrena Ingahy Rajoelina. Nanafatra ny vahoaka ny tenany, mba tsy ho voarebirebin'ny sasany amin'ny lainga etsy sy eroa.
Andriamatoa Tabera kosa dia nanala ny ahiahin'ny vahoaka, mikasika ny fandehanan'ny ankolafy Zafy any Ambohitsorohitra. Nanazava ny fat ny tondrozotra hoy izy, satria tsy fantan'ireo ny dingana arahina amin'izany. Tsy maintsy tafapetraka aloha ny mpanelanelana malagasy toy ny FFKM, CNOSC. Ireo no mivory hoy izy, hanomana ny latabatra boribory, hanaovana ny Sommet.Tsy maintsy hantsangana ihany koa ny governemanta vaovao manomana ny fahatongavan'ny Filoha Ravalomanana sy Ratsiraka hoy Andriamatoa Tabera. Noho izany dia aza gaga ianareo raha misy ny toe-javatra tahaka ireny.





