Aleo hanohy ny hadalàny eo…
Dia efa mahatsikaiky ny fomban’ireto mpanongam-panjakana ireto, misahotaka izay tsy izy, indrindra hatramin’ny fanaovana sonia ny tondrozotra hananganana ny tetezamita tena izy, tondrozotra izay mandidy ihany koa ny fodian’ny Filoha Ravalomanana tsy misy fepetra.
Toa sady asesiky ny tahotra no asesiky ny fitiavan-tseza diso tafahoatra ka mampitombo ny fihetsika tsy voahevitra : avoaka aloha ny “notam” dia arahina fanambarana fa hosamborina ny Filoha Ravalomanana raha vao migadona eo Ivato; ankehitriny indray dia tsy eo Ivato no hosamborina fa any Afrika atsimo mihitsy. Sao dia heverin’ingahy Richard Ravalomanana ho Antananarivo àry I Afrika atsimo na hoe mitoetra eny ho eny fotsiny ny Filoha Ravalomanana ao ka hoe andeha hosamborina tahaka ny lalitra ? Manamboninahitra voahozona hisambotra ve izy io ka tsy mahatombina raha tsy mahavita izany na ahoana na ahoana ? Manamboninahitra mahalala ny lalàna mifehy ny rafi-pandaminan’ny firenena mahaleo tena ve izy io ?
Toa manafangaro ny FAT sy ny tetezamita tena izy ireto mambran’ny FAT. Sao dia tsy azon’izy ireo ny zavatra nosoniaviny hoe “tetezamita vaovao iarahana” no ho ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary rehefa mitsangana avokoa ny andrim-panjakana mifanaraka amin’izany vao ho azo ny fankatoavana ? voahozona hisoloky fahefana ve ? Ry Ramatoa Christine ve mahafantatra marina ny lanjan’izany fifanarahana nosoniavina ?
Ao ihany koa ireo mpanaradia ny FAT mimenomenona toa ny loha tapaka manohitra ny hoe rafitra vaovao no hatsangana : sao dia mihevitra fa ho mandrakizay ny tetezamita na zony ny mitana ny toerana misy azy ireo ankehitriny na fanitarana io na fanavaozana !
Toa hanohy ny fomba amam-panaony ireto FAT sy ny mpanaradia azy ireto, saingy na inona ataony na inona dia ny adidy tandrify antsika no atrehintsika ho fanavotana ny firenentsika. Tosika ho antsika io tondrozotra io satria hiharihary eo amin’izao tontolo izao izay sahy miziriziry amin’ny habibiany sy ny fanamparam-pahefana. Mila miady ho an’ny tanjontsika sy mijoro hatrany anefa isika, haneho ny fitakiantsika sy ny zontsika, na hanapotsitra izay tsy rariny fa tsy handry manana aretina. Adidintsika ny manara-maso ny fizotran’ny fanatanterahana ny tondrozotra fa tsy misy fahafahana maharitra azo maimaim-poana.
Ireo delegasiona avy amin'ny mouvance Ravalomanana izay nanao sonia ny fifanarahana koa, dia manana adidy hanao izay tokony atao amin’ny fanatanterahana izany ary angatahina hanao tatitra isan'andro eny amin'ny kianjan'i Magro mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka mitaky ny ara-dalàna.
Ny troika dia manana andraikitra amin’ny fanerena ny mpanao sonia hanatanteraka ny tondrozotra.




