1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 20 sept : Aza manaiky ampitahorina izany isika !

PDF Imprimer Envoyer

Mardi, 20 Septembre 2011 19:59

JavaScript est désactivé!
Pour afficher ce contenu, vous devez utiliser un navigateur compatible avec JavaScript.

Fomba ataon'ny fat  handrebirebena ny vahoaka sisa ny fitenenana, fa hosamborina ny Filoha Ravalomanana hoy Andriamatoa Ralaiseheno Guy Maxime teny amin'ny Magro androany. Aoka hazava ny resaka hoy izy, fa ny fanapahan-kevitry ny Sadc dia efa nahazo ny fankatoavana irsaim-pirenena hanelanelana. Matoa ny Sadc tsy miala amin'ny zavatra teneniny sy raisiny hoy izy, dia tsy sangisangy intsony izany. Ny olana eto amintsika hoy Andriamatoa Guy Maxime, dia ny sarotra amin'ny mpanao politika ny mitazona ny teny nomeny. Ny Sadc efa niteny hoy izy fa ataovy izay ampitovy ny fomba fijerinareo amin'ny fanovana ny governemanta. Matoa nanao sonia hoy izy, dia manaiky.  Ho avy eto ny Sadc hoy Andriamatoa Guy Maxime hametraka ny mise en oeuvre atao eto. Rehefa hoy izy, dia hisy ny sommet ho an'ireo" chefs de files handaminana ny rafitra rehetra.  Nankahery ny vahoka ny tenany amin'ny fanohizana ny tolona.

Isika hoy ny Depiote Zafilahy, dia tsy nanao sonia fahatany i Mamy Rakotoarivelo, fa baiko avy amin'ny filoha Ravlomanana. Na nangidy tamintsika aza hoy izy ny fanaovantsonia ny tondrozotra dia nekena nohon' ny tombontsoan'ny firenena.  Nanomboka tamin'iny fanaovantsonia iny hoy izy, no manomboka ny tetezamita vaovao. Noho izany dia rava avokoa ny zavatra nataon'ny fat tany aloha. Dikan'izay ihany koa dia tsy afaka miteny amin'ny anaran'ny fitsarana i Christine, fa fampandehanan-draharaha no ataon'izy ireo. Mikasika ny fisamborana ny Filoha Ravalomanana di anambarany fa fitsarana tsy mahefa no nitsara azy, ary ny mampihomehy aza dia tsy eto ilay olona izay tsaraina.  Aza manaiky ampitahorin'ny olona izany isika hoy izy.  Fanavaozana hoy ny Depiote Zafilahy no atao amin'ny Ct sy Cst, fa tsy fanitarana izany.