1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Rodobe 19 sept : Mbola dingana no vita fa tsy ny tanjona !

PDF Imprimer Envoyer

Lundi, 19 Septembre 2011 22:02

Na dia teo aza ny fahavitan'ny sonia ny tondrozotra, dia mitohy hatrany ny tolona ho an'ny Rodobe, etsy amin'ny Magro Behoririka. Androany dia mbola nitohy teny an-toerana ny hetsika.Efa manomboka manisa andro isika hoy Andriamatoa Rostand Andriampilamanana,  mpanolontsaim-paritr'Ihorombe satria rava ilay fanjakana teo, ary hanangana fanjakana vaovao isika, ary anisany ao anatin'izany. Namaly avy hatrany an'ny Ramatoa Christine ny tenany. Manana ny déonthologie ny sendikan'ny mpitsara hoy izy, ka aoka ho fantatrao fa ianao dia ministra notendrena teny amin'ny kianjan'ny 13 Mai. Noho izany dia misy sazy miandry anao koa amin'ny lalàna mifehy ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara. Miomana ianao hoy izy, fa izahay izao no mpitondra atsy ho atsy, ka hanizingizina anao mihitsy.

Tsy marina hoy ny Depiote Zafilahy, ny tsaho aely fa tezitra ny tenako sy Andriamatoa Guy Maxime, ka tsy tonga teny amin'ny Magro. Tany Alaotra tany izahay, hoy izy nampita ny vaovao ho an'ny vahoaka tany an-toerana. Dingana ihany hoy izy, ny famerenantsika ny Filoha Ravalomanana eto Madagasikara, fa tsy tanjona. Azontsika hoy ny Depiote Zafilahy ny fandresena tamin'iny dingana iny, kanefa tsy mbola izay no tanjontsika fa ny fampandaniana azy amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena.Nambaran'ity olomboafidy tany Vavatenina ity, fa na azon'ny Rajoelina aza ny toeran'ny filohan'ny tetezamita dia aza matahotra fa ny Praiministra kosa aty amin'ny ankolafy telo. Io PM io hoy izy no manapa-kevitra fa tsy Rajoelina. Aza taitaitra amin'ny vavan'ny sasany hoe hosamborina ny Filoha Ravalomanana hoy ny Depiote Zafilahy. Heverin'izy ireo mantsy, fa  ny voalaza   tao amin'ny tondrozotra  milaza, fa ny tetezamita no manamora ny fiverenan'ireo sesitany politika eto Madagasikara, dia tetezamita amin'izao fotoana izao. Tetezamita vaovao hoy izy no hanao izany.Nanafatra ireo olona hahazo toerana ao anaty rafitra ny Depiote Zafilahy.  Ny iangavianay anareo hoy izy, dia tsy hamadika ny Filoha Ravalomanana intsony. Raha ny sitrapoko hoy izy, dia tsy hiditra ao anaty fitondrana ny tenako, fa hitety an'i Madagasikara, hanao izay hampandaniana amin'ny fifidianana filoham-pirenena an'Andriamatoa Ravalomanana. Atambaro ny hery hoy ny Depiote Zafilahy, amin'ny fanohizana ny tolona.

Tsy maintsy atao alohan'ny fivorian'ny Sommet hoy Andriamatoa Tabera, ny fananganana ny governemanta vaovao.  Amin'ity herinandro ity, ihany koa hoy izy, dia ho fantatra ny anaran'ny olona izay ho Praimnistra.Nanafatra ny vahoaka Andriamatoa Tabera mba ho tonga maro manomboka rahampitso, satria ho avy eny ny Pr Zafy Albert amin'ny Alarobia izao. Amin'io fotoana io hoy izy, no hanazavany mikasika ilay fitoriana an'i Rajoelina nataony tany amin'ny fampanoavana. Tsy mihemotra izany fitoriana izany, hoy izy, na dia  mitsangana aza ny governemanta vaovao. Ny halatra vary tamin'ny Magro, ny fangalarana andramena, ny fandrobana sy fandoroana orinasa teto amin'ny firenena, no votoantin'ny fitoriana.