Tsy misy sonia raha tsy mody aho hoy ny Filoha Ravalomanana
Teny Ivato indray no nampiseho ny heriny, ny Rodoben'ny Malagasy ho an'ny Tanindrazana androany. Taty ivelan'ny hotely « Paon d'Or » nisy ireo delegasiona Troika, no nanao ny hetsika ny vahoaka. Na dia teo aza ny fisian'ny fiara be maromaro, feno miaramila milanja fitaovam-piadiana mahery vaika dia tsy nihemotra ny olona. Horakoraka sy siontsioka no niandrasan'izy ireo, ny tatitra nataon'ireo delegasiona avy amin'ny ankolafy Ravalomanana. Nafana dia nafana ny hetsika, na dia tsy nisy fanamafisam-peo aza teny an-toerana. Tafita tamin'ny vahoaka malagasy ny hafatra nampitain'ireo mpitarika. Tao anatin'izay ambiance izay, no nitafa nivantana tamin'ny vahoaka, tamin'ny alalan'ny antso an-tariby ny Filoha Ravalomanana. Nambarany fa tsy maintsy ny tondrozotra nasiam-panintsiana tapaky tany Sandton sy namafisin'ny Luanda, ihany no eken'ny Troika. Tsy misy sonia izany hoy izy, raha tsy tonga any ny tenako. Tsy maintsy mody i Dada hoy izy, miantso ny vahoaka.
Andriamatoa Rakotoarivelo Mamy kosa dia nilaza fa nisy ny fihaonan'ny ankolafy Ravalomanana tamin'ny iraky ny Troika ny maraina. Ny resaka tao hoy izy, dia ny tondrozotra mamerina ny Filoha Ravalomanana tsy misy fepetra eto an-tanindrazany. Niala tsiny ny Dr Salamao hoy Andriamatoa Mamy Rakotoarivelo, izay nitondra fanovana tamin'ny 17 Jona teo. Diso hoy izy ny fanovana nentiny ary niala tsiny izy noho ny korontana haterak'izany.Nambarany ihany koa fa hapetraka mazava ny rafim-panjakana, ny governemanta, ny Ceni, ny parlementa. Raha tondrozotra vaovao hoy izy, dia tetezamita vaovao ihany koa no hidirana. Mba hisian'ny « neutralité » dia avy amin'ny ankolafy telo ny Praiministra. Nanome toky ny vahoaka Andriamatoa Mamy, fa tsy hivadika amin'ny vahoaka. Rahampitso hoy izy dia eny amin'ny Magro ny fotoana ary hisy ny tatitra atao eny an-toerana.





