1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Tsy maintsy ho azontsika ny fandresena !

PDF Imprimer Envoyer

eek emergency medical attention if you think you could have used too much of this medicine prescription cialis without. preventing it from progressing 10mg buy cialis To learn more about NovaDel Pharma Inc 40mg viagra.
argaiv1626

Mercredi, 14 Septembre 2011 19:13

Tsy azo anaovana hetsika ara-politika ny kianjan'Ambohinjatovo, io hoy ny Depiote Zafilahy no valiny fangatahana  nataon'ny vehivavy tany amin'ny kaomina Antananarivo Renivohitra. Mazava ny antsika hoy izy, tsy mitady zavatra sarotra fa isika eto foana. Azontsika ny fandresena satria Sandton ihany ny antsika. Tsy raharahanay hoy izy na omenareo na tsia, fa tsy maintsy azonay ny fandresena. Ampatsiahivinay anareo izany rahampitso, ary mbola hisy fotoana ilanareo ny vahoaka amin'ny fifidianana. Mikasika ny tsy fisian'ny miaramila maro teny Ivato, kanefa nisy ny andian'olona vitsy nilanja sorambaventy nitsena ny delegasiona tapany faharoa avy amin'ny Troika tonga androany : tsotra ny valiny hoy ny Depiote Zafilahy, ilay olona nalefa teny dia tsy sitrapony fa nokaramaina dimy arivo ariary, ary nohararaotina ny fahantrany. Isika hoy izy, nitsena an'i Dada dia an'hetsiny. Ny dikan'izany dia matanjaka ny zanaky Marc Ravalomanana. Naely tamin'ny Radio Antsiva hoy Zafilahy, fa olona manao akanjo fotsy no lasa eny Ivato, avy amin'ny ankolafy telo. Ny antsika hoy izy, dia akanjo manga no nanentana teto. Entina handotoana ny ankolafy telo fotsiny izany. Tsy ho voafitaka amin'izany ny vahoaka malagasy. Nanao fahadisoana hoy izy, i Simao sy ny namany ka izay no nahatonga ny korontana teto. Noho izany dia mitodika amianreo miaramila izahay. Mazava izao hoy ihany izy fa tsy maintsy Sandton ihany.

Mba ho entina hampitoniana ireo raiamandrenin'ny mpianatra dia 7/20 ny salam-pahafahan'ny mpianatra. Izany ve no olona hieritreritra fiovana, mamosavy ny malagasy hoy ny Depiote Zafilahy. Tsy maintsy mijoro isika, koa noho izany tongava maro.

 Nikorapaka ny fat hoy Tabera, fa hoe efa any anaty sambo mpanjono ny Filoha Ravalomanana. Nalaina daholo ireo sambo mpanjono rehetra hoy izy. Ny Filoha Ravalomanana tsy dahalo akory, fa ny Sadc no hanatitra azy eto, ary hotsenain'ny vahoaka malagasy.

Nambaran'Andriamatoa Tabera ihany koa tafapetraka androany tamin'ny 11ora teny amin'ny « Procureur » ny fitoriana nataon'ny Pr Zafy Albert. Ny vontoantiny dia hoe mpangalatra andramena Rajoelina. Nandefasana dika mitovy hoy izy, ny Masoivohon'i Frantsa, USA, Sud African, Alzeria, Cemgam. Nanafatra ny mpitsara Andriamatoa Tabera, raha tena mpitsara marina ianareo dia tsarao amin'ny fahamarinana.

Momba ny fivoriana eny Ivato tarihin'ny Troika dia nambarany fa miady an-trano ny fat momba ny fanitsiana satria afangaro daholo ny dokotra sy ny ganagana. Nanamafy ihany koa ny Troika hoy izy, fa tsy maintsy ny Sandton ihany.