Tsy hisy dinika amin'ny tondrozotra intsony eto !
Tonga eto tokoa ny iraky ny Troika hoy ny Depiote Zafilahy. Maro ireo namana no nanontany raha nahita tamin'ny fahitalavitra fa toa niverina eto indray ry Simao sy Salamao. Ny zavatra tsara ho fantatsika hoy izy, dia rehefa nomen'ny Sadc ny Troika ny raharaha, dia mifampitohy hatrany izany. Ilaina noho izany ry zalahy ireo hoy izy, satria izy ireo no nanao ny paipaik'ady rehetra taty, ary indrindra fa Salamao dia sekretera mpanantanteraky ny Sadc. Izy no voa iraky ny Sadc sy ny Troika nanoratra tany amin'ny fat, ka andraikiny izany ary tsy afa miala amin'izany izy. Ny Troika hoy izy no mitarika ny delegasiona fa tsy izy ireo. Nambaran'ny Depiote Zafilahy ihany koa fa tsy misy dinika vaovao hadinihana ny feuille de route eto, fa efa nasian'izy ireo filoham-panjakana eo anivon'ny Sadc fanitsiana ny tondrozotra. Ny diniky ny samy malagasy dia dinika ho entina hametrahana ny rafitra misy, toy ny hoe atao ahoana ny Cst sy Ct, Ceni, Rajoelina ve mbola tazonina ho filohan'ny tetezamita ihany. Izay no atao hoy ny Depiote Zafilahy fa tsy misy dinika izany intsony. Rehefa vita izay fandaminana izay, dia miroso amin'ny tetezamita iraisana, iaraha mitantana ny rehetra. Vaovao mari-pototra hoy izy, dia manakarama olona hitondra banderole ho eny Ivato ny mpitondra fat haseho ireo delegasiona tapany faharoa amin'ny Troika. Voalaza ao anatin'izany hoy izy dia hoe tsy manaiky ny fiverenan'ny sesitany politika, ary tsy mila dinika intsony izahay fa tohizanay ny tetezamita. Ingahy Ratsirahonana hoy ny Depiote Zafilahy no omen'ny frantsay vola ka manatanteraka izany. Fitiavan-tanindrazana ve izany ataony izany hoy izy.Andao hatambatra ny hery hamerenana ny Filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana hoy izy.





