1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Tsy hisy dinika amin'ny tondrozotra intsony eto !

PDF Imprimer Envoyer

Lundi, 12 Septembre 2011 19:52

Nanao tatitra ny hetsiky ny Rodobe tany Toamasina, ny Depiote Henri Randrianjatovo androany teny amin'ny Magro Behoririka. Anisan'ireo delegasiona nandeha tany an-toerana moa ny tenany. Ny zavamisy hoy izy, dia sady mampihomehy no mahagaga, satria teny an-dàlana izahay dia mifanena amin'ireo Jeneraly   milanja basy mandeha fiara maromaro. Hay tsy nahomby hono hoy ny Depiote Henri ny fanadiadiana natao tany Soanierana Ivongo ka nalefa any izy ireo. Faly be izahay tany satria nandalo tany Ingahy Raharinaivo, hoy ity olomboafidy ity, saika hamory olona amin'ny anaran'ny antoko Tim, kanefa tsy nahazo olona. Ny lehiben'ny ankolafy Ravalomanana any Toamasina Rasamimaka Mahefalahy hoy izy, dia anisan'ny mpikambana ao anatin'ny Jeune Chambre International. Sorena daholo hoy ny fanazavana, ireo mpikambana rehetra, satria misy manao taingim-bozona. Misy ihany koa hoy izy,  ny misandoka misalotra fa Jeune Chambre, satria tonga eto ny filohan'ny JCI, ka nanjary  niteraka korontana izany. Izay rehetra izay hoy ny Depiote Henri dia hilazana fa efa mitady làlana ny foza. Tamin'ny herinandro lasa teo hoy izy dia nisy famelabelarana ny zavatra nitranga tamin'ny 07 Febroary. Ny mpandray anjara tao hoy hatrany izy, dia olona nandray anjara tao anatiny, ary tonga tao amin'ny Magro tamin'ny Sabotsy nanazava ny fikonokononana tamin'ireny fotoana ireny. Ny dikan'izay hoy ny Depiote Henri, dia izay no mampisahotaka an'ireo satria vaky bantsilana ny nafenina. Ny Troika hoy izy, dia efa mahafantatra fa fanonganam-panjakana no nisy teto.

 

Tonga eto tokoa ny iraky ny Troika hoy ny Depiote Zafilahy. Maro ireo namana no nanontany raha nahita tamin'ny fahitalavitra fa toa niverina eto indray ry Simao sy Salamao. Ny zavatra tsara ho fantatsika hoy izy, dia rehefa nomen'ny Sadc ny Troika ny raharaha, dia mifampitohy hatrany izany. Ilaina noho izany ry zalahy ireo hoy izy, satria izy ireo no nanao ny paipaik'ady rehetra taty, ary indrindra fa Salamao dia sekretera mpanantanteraky ny Sadc. Izy no voa iraky ny Sadc sy ny Troika nanoratra tany amin'ny fat, ka andraikiny izany ary tsy afa miala amin'izany izy. Ny Troika hoy izy no mitarika ny delegasiona fa tsy izy ireo. Nambaran'ny Depiote Zafilahy ihany koa fa tsy misy dinika vaovao hadinihana ny feuille de route eto, fa efa nasian'izy ireo filoham-panjakana eo anivon'ny Sadc fanitsiana ny tondrozotra. Ny diniky ny samy malagasy dia dinika ho entina hametrahana ny rafitra misy, toy ny hoe atao ahoana ny Cst sy Ct, Ceni, Rajoelina ve mbola tazonina ho filohan'ny tetezamita ihany. Izay no atao hoy ny Depiote Zafilahy fa tsy misy dinika izany intsony. Rehefa vita izay fandaminana izay, dia miroso amin'ny tetezamita iraisana, iaraha mitantana ny rehetra. Vaovao mari-pototra hoy izy, dia manakarama olona hitondra banderole ho eny Ivato ny mpitondra fat haseho ireo delegasiona tapany faharoa amin'ny Troika. Voalaza ao anatin'izany hoy izy dia hoe tsy manaiky ny fiverenan'ny sesitany politika, ary tsy mila dinika intsony izahay fa tohizanay ny tetezamita. Ingahy Ratsirahonana hoy ny Depiote Zafilahy no omen'ny frantsay vola ka manatanteraka izany. Fitiavan-tanindrazana ve izany ataony izany hoy izy.Andao hatambatra ny hery hamerenana ny Filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana hoy izy.