1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Magro 29-08-11 : Rendrika ny sambo!

PDF Imprimer Envoyer

Lundi, 29 Août 2011 20:04

Tapi-dalan-kaleha ny fat hoy ny Depiote Ravelonanosy Mamitiana teny amin'ny kianjan'ny Magro androany. Niarahantsika nahalala hoy izy fa nihaona mangingina tamin'ny areseveka i Rajoelina, nitokana ny fiangonana tany Anjanamasina. Dikan'izany hoy izy dia manao pimaso amin'ny fiangoanana Rajoelina. Rendrika lay sambo hoy izy, noho izany dia aleo ho entin'ilay kapiteny mahay azy ny sambo. Nanao antso avo ho an'ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ny Depiote Mamitiana, mba hampihatra ny fanapahan-kevitra efa tapaka haingana, ary hanome sazy ireo izay mbola miziriziry. Niantso ihany koa ny mpanao gazety ao amin'ny Rnm sy Tvm ny tenany mba hilaza ny vaovao marina eto amin'ny firenena.

 

Nalaza fahiny ny sambo hoy ny Depiote Leriva Manahirana, ary ny fat nilaza hoe midira aty daholo ianareo, sao hilaozan'ny sambo eo. Isaorana Andriamanitra hoy izy, fa hay kay sambo tsy zarizary no nasaina nidirantsika, ary efa namono olona be dia be izany. Ny tiana ambara hoy ny Depiote Leriva dia na tahaka inona na tahaka inona fahatsaran'ny sambo, ny ankolafy telo tsy hiditra amin'izany. Namafisiny fa tena ho avy i Dada fa tsy sangisangy intsony.


Tratra ny tanjona hoy Andriamatoa Guy Maxime, satria tontosa ny hetsiky ny Rodobe tany Toamasina ny faran'ny herinandro teo. Ny any Mahajanga kosa hoy izy dia efa voadio ny Magro any an-toerana, ka ny Sabotsy izao no hanao hetsika ny Rodobe Mahajanga.
Amin'izao fotoana izao hoy izy, dia misy ny lisitra mainty mandehandeha any, ary efa voasoratra ao avokoa ireo olona atao amin'ny fanaovana azy. Tsy matahotra izany isika, satria efa tsy izy intsony io fat io.
Hisy fanapahan-kevitra lehibe horaisintsika hoy Andriamatoa Guy Maxime, amin'ny Sabotsy izao eto amin'ny kianjan'ny finoana Behoririka. Manomboka rahampitso hoy izy, dia ho fenointsika ity kianja ity.