1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Manàna finoana sy faharetana ary atambaro ny hery

PDF Imprimer Envoyer

Lundi, 22 Août 2011 20:33

Nitohy ny hetsika teny amin'ny kianjan'ny finoana. Ireo rehetra nandray fitenenana dia samy nankasitraka ny fahatongavana maro tamin'ny Sabotsy teo, ary samy miantso mba ho toy izany foana isan'andro, ny fandresena rahateo efa akaiky.

 guymax2208Andriamatoa Ralaiseheno Guy Maxime Filohan'ny fikambanan'ny ben'ny tanana dia nanambara fa, tsy ho tàna intsony izao tolona ataontsika izao ka matahotra mafy ny fat. Foronina daholo izao antsanga tsy aman'orana rehetra izao, atao indray izay hisamborana an-dRalitera  koa mampitandrina  izahay hoy Andriamatoa Guy Maxime : samy lehilahy lehibe isika ka afaka mifampitady. Deraina manokana ny fihetsik'i Landry avy ao amin'ny Douanes, sahy nijoro amin'ny fahamarinana,mitodika aminareo mpiasam-panjakana ny tenako hoy Andriamtoa Guy Maxime, rahoviana vao haverinareo ny fitokisan'ny vahoaka anareo? ary inona no vitanareo hoan'ny vahoaka? Sahia mijoro tahaka an'i Landry.

Henoy eto ny kabarin'Atoa Guy Maxime

reny2208

 

 

 

 

 

Jereo eto ny kabarin'ny Depiote Henri

 

Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa, dia nanamafy ny voalazan'ny Filoha Zafy Albert tamin'ny Sabotsy teo fa tsy mila intsony an-dRajoelina hitondra ny tetezamita, manaiky izany ny Filoha Ravalomanana sy ny Filoha Ratsiraka.Mikasika ireo miaramila izay mikononkonona hetsika dia nambaran'Andriamatoa Tabera fa efa nomena fahefana izy ireo fa natolony hoan-dRajoelina indray izany fahefana izany, koa tsy mila azy ireo hitondra intsony isika,fantatra hoy izy fa ireo miaramila nanongam-panjakana tamin'ny 2009 no mbola hampiasain'ny frantsay. Henoy eto ny kabarin'Atoa Tabera

Ny  Depiote Zafilahy dia nanome toky fa hanampy ny Filoha Ravalomanana ary tsy hodidinin'ny mpamadika intsony ny filohantsika ,satria ireo tsara toerana mihitsy no namadika na ny teto na-toerana ireo nalefa ho Ambasadaoro. Mikasika ny toe-javatra any Mahajanga dia tsy rariny ny fitrongisana ny tanàna efa nipetrahan'ireo olona efa teo hatramin'ny taona maro. Dia mody miady ry zareo ao amin'ny fat, kanefa efa fantatra ny ataony. Miala Rajoelina izay no fantantsika, ny ankolafy telo dia mahita olona apetraka eo, ary hankasitrahan'ny fianakaviam-be iraisam-pirenena izany olona izany. Mikasika ny famahana ny olana dia tsy ny Sadc akory no ratsy, fa ny frantsay sy ny Senegaly ary ny Maorisiana no mamingana ambadika, Ho avy ny delegasiona avy any amin'ny Troika hoy ny Depiote Zafilahy koa tongava isika hanatevina ny tolona. Manana finoana sy faharetana ary atambaro ny hery.

Henoy eto ny kabarin'Atoa Zafilahy