Hijoro hatramin'ny farany izahay na ampitahorina aza !
Mbola ho mafy ny tolona izay hatrehintsika hoy ny senatera Rakotoamboa Jean Louis teny amin'ny kianjan'ny finoana Behoririka androany. Ny maha ela ny tolona hoy izy dia ny frantsay. Amin'ny fomba diplomatika izy dia manohana ny tapaky ny Sadc, ary amin'ny fomba politika kosa manao ny ataony ry zareo. Amin'izao fotoana izao hoy ny senatera Rakotoamboa dia mamatsy fitaovam-piadiana ny fat ny frantsay. Hampiofana ihany koa ireo mpiambina an'Ingahy Rajoelina. Ankoatra izay dia nambarany fa amin'ny Alakamisy 11 Aogositra 2011 izao no hiakatra fitsarana indray Andriamatoa Ralitera. Ny zavatra niampangana azy hoy ny mpandahateny dia noforonina avokoa. Ny tena marina anefa dia ny fatahoran'ny fat ny hisehoan'ny marina tao amin'ny HCC, satria nisy kolikoly goavana tao. Noho izany hoy izy dia tsy maintsy mijoro hatramin'ny farany isika.
Raha fampitahorana no atao eto hoy ny filohan'ny Ben'ny tanana manerana ny Nosy Ralahiseheno Guy Maxime dia tsy matahotra izany izahay. Tonga any Mahajanga androany Rajoelina hoy izy ka tsy nisy vahoaka nitsena azy. Ny dikan'izany dia tsy hankatoavin'ny vahoaka Malagasy satria mpanongam-panjakana. Raha tsy miresaka amin'ny Filoha Ravalomanana, Ratsiraka, Zafy Ingahy Rajoelina hoy izy dia tsy hahavaha ny olana.
Manomboka androany hoy kosa Andriamatoa Manoela dia hisy poste avancé eto amin'ny Magro. Nisy mantsy ireo fiarabe efatra feno miaramila niandry teo akaikiny kianja. Hafatra ho an'ny jeneraly mpitarika hoy Manoela dia any amin'ny lalam-pirenena mankany Toliary iny dia misy mpanakan-dalana, kanefa dia izahay tsy manao inona handrasana miaramila. Hanao hoy izy ny fanapahan-kevitry ny iraisam-pirenena no tanterahantsika fa tsy ny baikon-dRajoelina. Mikasika ny raharaha any Toliary dia hafatra no nomeny ny ministry ny fampianarana ambony : aoka hoy izy ny samy any an-toerana no hamaha ny olana fa tsy hitondrana miaramila avy aty Antananarivo.





