1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Adidintsika ny mamerina ny Filoha Ravalomanana !

PDF Imprimer Envoyer

Jeudi, 04 Août 2011 22:49

JavaScript est désactivé!
Pour afficher ce contenu, vous devez utiliser un navigateur compatible avec JavaScript.

lerivamanahiraResahIna foana ny hoe tetezamita hoy ny depiote Leriva Manahirana, voafidy tany amin'ny faritry Brickaville iny teny amin'ny Magro Behoririka androany. Tetezamita tahaka ny inona no mendrika atao eto Madagasikara hoy ny fanontaniana napetrany ? Valiny hoy ny depiote Leriva dia : Tetezamita tsy misy mpanohitra, izay hiara-mitantana izany. Ny dikany dia miverina eto ireo sesitany any ivelany, indrindra ny Filoha Ravalomanana.Tetezamita tsy ahitana gadra politika, hadinodinontsika hoy izy ireo namana migadra any amponja, fa tsy azo ekena izany.Tetezamita afaka milatsaka ho fidiana avokoa ny olona rehetra te hilatsaka.Ny fanalahidin'ny fankatoavana iraisam-pirenena hoy ity olomboafidy ity dia any amin'i Dada. Noho izany dia tsy tokony ho velona ahiahy isika ny amin'ny fahatongavan'i Dada. Izany rehetra izany hoy ny depiote Leriva dia mila ny firaisankinantsika. Adidintsika ny mamerina ny Filoha Ravalomanana mba hiadananan'ny Ambanilanitra.

 

deprodinNy depiote Rodin Rakotomanjato kosa dia nanambara fa nahafaly hoy izy ny naheno ireo tangalamena tamin'ny fahitalavitra, nilaza fa ampy izay. Izy ireo anefa no nanongana ny fitondrana teo aloha. Mitaraina ihany koa Ingahy Pedro hoy izy fa maimbo ny fako. Nisy ny fampanantenana naton'ny Fat teny amin'ny fanaovana Godorao ny lalana. Hatramin'izao anefa tsy hita izany. Anisan'ny nanenjehana ny Filoha Ravalomanana teto hoy  ny depiote Rodin ny fivarotana tany. Ny zavamisy ankehitriny anefa dia namidy amin'ny frantsay ny Cap Masoala. Efa vita ny  acte de vente, ary efa lasa ny ampahany. Atao dokambarotra  any ivelany ny fivarotana tany eto Madagasikara hoy hatrany izy, ary any ivelany no aloha ny vola ...

Nambarany ihany koa fa any amin'ny faritra maro manerana ny Nosy dia efa miandrandra ny Filoha Ravalomanana. Tsy maintsy ho avy izy hoy ny depiote Rodin.