1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Antson'ny Filoha Ravalomanana, 20 aprily

PDF Imprimer Envoyer

Mercredi, 20 Avril 2011 17:17

Famintinana ny hetsika teny amin’ny  Magro 20 avril 2011

Nitohy tetsy amin'ny kianjan'ny finoana Behoririka ny hetsiky ny ankolafy telo. Nandray anjara hatrany sy nankahery ny tsirairay amin’izao andro paska izao ny Filoha Ravalomanana tamin’ny antso mivantana an-tariby.

Ny voalohateniny dia niarahaba ny vahoaka malagasy noho ny fetin'ny Paska. Enga anie hoy izy ka samy hahatsiaro tena isika rehetra ka hahafantatra ny lala-kombàna sy izay mahasoa ny firenentsika ary hitondra làlana vaovao ho antsika ity herinandro masina ity.

Ankoatra izay dia nanazava ny zavamisy any ivelany any ny Filoha Ravalomanana. Naniraka delegasiona manokana tany amin'ny filohan’ny Namibie ny tenako hoy izy, ny Alakamisy lasa teo ary noraisiny ireo delegasiona ireo ny Alatsinainy 18 Aprily 2011 teo. Naharitra ora iray sasany ny fihaonana teo amin'ny roa tonta hoy izy. Ny zavatra noresahana tany hoy ny Filoha Ravalomanana dia ny hoe: samy mahalala izao tontolo izao fa mijaly ny vahoaka malagasy noho ny afitsoky ny mpanongam-panjakana. Teo no nanazavan'ny  Filoha Namibiana, izay Filoha amperinasan’ny SADC rahateo, fa tsy misy na iray aza manaiky ny soridalana nataon'i Simao, satria mbola fanapahan-kevitr'olo-tokana io, noho izany dia tsy mahasoa io.

Mba hahasoa ny vahoaka malagasy dia nitondra hafatra ireo delegasiona ireo ho an'ny Filoha Ravalomanana mba hitady izay azo atao mba hisian'ny marimaritra iraisana. Lasa tany Maputo izahay hoy ny Filoha Ravalomanana nihaona tamin'Atoa Chissano. Tamin’izany fihaonany izany dia nilaza tamin’Atoa Chissano ny Filoha fa tsy nety ny tatitra izay nataon’I Simao tany amin’ny fivorian’ny Troika : ny sori-dàlana izay nataony dia manilika tanteraka ny ankolafy telo ary manindraindra ny ankolafin’ny mpanongam-panjakana.

Nilaza ingahy Chissano hoy izy fa raha tiany dia ampihaonany aminy Ingahy Rajoelina. Nandà izany fampihaonana izany Ingahy Rajoelina. Dia mbola manamafy izany fa tsy ny ankolafy telo hoy izy no sakana amin'ny famahàna ny krizy fa Rajoelina, izay efa nanao rahateo izay tsy hahatanteraka ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba. Isika hoy ny Filoha tsy hanaiky mihitsy fa tsy maintsy mitady ny fomba rehetra handraisantsika anjara amin'ny fifidianana amin’ny fomba demokratika ary handresena amin’izany mba tsy hanome lanja ny fanonganam-panjakana.

Mialoha izay anefa dia nisy hatrany ny kabary nataon'ireo mpitarika ny tolona avy amin'ny ankolafy telo eto an-toerana.

Atoa Rakotoamboa Jean Louis dia nanambara fa tsy mijanona mihaino kabary fotsiny isika manomboka izao; fa mandresy lahatra ireo rehetra any an-tokantrano sy ny fokontany any. Tsy maintsy faranana ny tolona hoy izy ary izay no tsy maintsy hanaovantsika ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena mba hahafana manangana ny tetezamita tena izy iraisana.