Hafatra avy amin'i Fetison Rakoto Andrianirina
HAFATRA HO AN’NY MALAGASY MPIRAY TANINDRAZANA AVY AMIN’ATOA FETISON RAKOTO ANDRIANIRINA
Lehiben’ny Delegasion’ny Ankolafy RAVALOMANANA
Mandia fotoan-tsarotra ny firenena raha ny zava-misy no jerena. Zava-misy toa mitady hahazo faka, tsy mitondra afa-tsy fikorontanana, fahasahiranana, fanahiana…
Tsy takona afenina toa masoandro be lohataona:
- Ny fahasahiranan’ny vahoaka, tsy am-bolana intsony izao fa efa an-taona. Miakatra ny vidim-piainana, be anefa ny very asa, mikorontana ny fiainam-pianakaviana ary maro ny zaza no tsy afa-mianatra intsony.
- Ny tsy filaminana ateraky ny asan-jiolahy ka mandry tsy lavo loha ny mponina, tena mandry andriran’antsy.
- Ny fiokoana sy ny fanoherana miseho amin’ny endrika samihafa, ny fitaovam-piadiana miparitaka etsy sy eroa izay sakana ho amin’ny fahafahana mandavorary ny fiainana andavanandro.
- Ny fitakiana sy ny fitokonana miseho lany etsy sy eroa. Ny eo tsy voavaha, mitranga koa ny hafa. Ny voka-dratsin’izany dia ny vahoaka no iharany.
- Ao anatin’ny fotoana fohy dia maro ireo naiditra am-ponja, na sivily na miaramila.
Fa dia maneho inona daholo izany? Iza no omena tsiny ? iza no tondroina ho tompon’andraikitra ?
Tsy misy afaka hilaza sy hitompo teny fantatra fa manana ny rariny eo anoloan’ireny zava-misy ireny. Mitarika ny sain’ny rehetra handini-tena, na ny vahoaka, na ny mpanao politika na ny miaramila na ireo izay eo amin’ny fitondrana.
Sarotra ny lalana diavin’ny firenena ankehitriny. Dia ho sanatria ho tapi-dalan-kaleha ve isika? Antsika ity firenena ity. Isika rehetra mitady vahaolana hivoahana amin’izao lalan-tsarotra izao dia samy tompon’andraikitra, koa aoka hampiseho toe-po mendrika ny fitiavan-tanindrazana.
Ry Malagasy, iaino indray ilay fanahy mandala fihavanana, firaisan-kina nanabeazan’ny razana anao. Aoka tsy hanjaka ny fifankahalana, ny fifandrafesana ary indrindra indrindra mijoroa amin’ny maha olom-pirenena anao: saro-piaro amin’ny rariny sy ny hitsiny, amin’ny fampanjakana ny zo aman-kasin’ny tsirairay;
Ry Miaramila mijoroa ho aron’ny tanindrazana, tanteraho amim-pahamendrehana ny adidy sy andraikitra izay efa nanokananareo tena dia ny ho an’ny tanindrazana. Aza manao kely tsy mba mamindro.
Ianareo ao amin’ny fitondrana, aleo halan’Andriana toy izay halam-bahoaka. Aoka hahay hihaino ny hafa, hampanjakao ny fahalalahana, antoky ny demokrasia imatimatesan’ny Malagasy. Omeo fahafahana miteny sy maneho hevitra izy fa izay no zo fototra maha-olona. Tsy vahaolana - na ho an’iza na ho an’iza - ny fampihorohoroana sy ny herisetra, ny fandratrana sy ny famonoana olona, ny fisamborana sy ny fanagadrana, ny valifaty sy ny jadona ary ny lainga sy ny fitaka.
Sarotra ny hanarina izao firenena izao, mila olona tena tia tanindrazana, manana fahavononana afaka mampandefitra ny hambom-po. Tsy efan’olon-drery izany, ilaina ny fahaizana mifanampy, mifanohana, mifampihaino, mifanakalo hevitra. Koa na inona na inona anjara toerana sy andraikitrao eto amin’ny firenena, aoka hifanome tanana hahatafavoahan’ity firenena ity amin’izao krizy mianjady aminy izao. “Ny adidy re tsy an’olon-dratsy” koa raiso ny andraikitrao ho fanarenana ny firenena.




