MAGRO BEHORIRIKA 10 MEY
Nitohy tetsy amin’ny kianjan’ny finoana na ny Magro Behoririka androany Alatsinainy 10 Mey 2010 ny hetsiky ny Ankolafy Madagasikara. Tonga maro hatrany ny olona manatevin-daharana ny tolona teny an-toerana.
Rtoa Justine avy amin’ny Ankolafy Zafy Albert no nandray fitenenana voalohany. Nihavana ny mpianatra sy ny miaramila any Antsiranana hoy izy amin’izao fotoana na dia teo aza ny famonoana ireo mpianatra. Ny 13 Mey izao dia hanohitra tanteraka an’i Andry Rajoelina ny vahoaka any Antsiranana, tsy hamelany hoy ny mpandahateny raha tsy miala ny Fat.
Avy eo dia nisy ny fidiran’ny Ankolafy Madagasikara avy any Toliary mivantana tamin’ny antso an-tariby. Tandindomin-doza ny vahoakan’ny Toliary hoy ny Député Mana Parfait satria mijaly ny vahoaka ary mirongatra izaitsisy ny andiam-balala any an-toerana satria tapaka ny famatsiam-bola ho an’ny famonoana izany.
Ny députe voafidy tany amin’ny faritry Ambatomainty Rasoanaivo dia nanao tatitra fohy tamin’ny vahoaka teny amin’ny Magro Behoririka mikasika ny hetsika tany Toamasina omaly. Tontosa soa aman-tsara hoy izy ny hetsiky ny Ankolafy Madagasikara tany an-toerana, maro ny vahoaka tonga nanatrika izany
Ny depute Zafilahy ihany koa dia anisan’ireo delegasiona nandeha tany Antsirabe nanatrika ny hetsiky ny Ankolafy Madagasikara. Na dia teo aza ny mpanankanto nalain’ny Fat tamin’ny fitokanana ny tsenan’Asabotsy hoy ny depute Zafilahy dia feno hipoka ny kianjan’ny Magro tany an-toerana. Tontosa tamim-pilaminana ny hetsika.
Atoa Rakotovazaha Olivier no namarana ny fitenenana. Tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina no apetraka eto amin’ny firenena hoy izy, noho izany dia hamafisina ny hetsika amin’ity herinandro ity. Rahampitso dia eny amin’ny Magro Tanjombato no hanohizana ny hetsika. Ny Alarobia dia etsy amin’ny Magro Behoririka. Ny Alakamisy dia eny amin’ny Magro Tanjombato, Zoma etsy amin’ny Magro Behoririka ary Sabotsy dia eny Tanjombato. Hetsika goavana daholo no tanterahana amin’izay hoy Rakotovazaha Olivier ka hisy ny filanjana sorambaventy mirakitra ny fitakiana.




