MAGRO 16 APRILY ; Miray tsikombakomba amin'ny Fat ny Frantsay....
Teny amin’ny kianjan’ny fanantenana na ny tokontany malalaky ny Magro Tanjombato, no nanohizan’ny Ankolafy Madagasikara ny hetsika androany Zoma 16 Aprily 2010, toy ny mahazatra dia fanompoam-pivavahana no nanombohana ny fotoana, izay notarihan’ny vondrom-bavaka avy ao amin’ny Ankolafy Madagasikara.
Nisantatra ny fitenenana voalohany ny Solombavam-bahoaka voafidy tany amin’iny distrikan'Antsimondrano iny dia Atoa RAMAMONJISOA Benjamin, satria nampiantrano ny hetsika, nambarany fa ao aorian’Antananarivo renivohitra dia Atsimondrano no be mponina indrindra, ary ben’ny tanana 26 no misy ao ka ny 19 amin’ireo dia avy amin’ny Ankolafy Madagasikara, ahitana fokontany 206 ao Atsimondrano hoy izy, ka rehefa natao ny fifidianana dia mbola ny Ankolafy Madagasikara no maro an’isa tamin’izany.
Andriamatoa Victor HONG kosa raha nandray fitenenana dia nilaza, fa misy andian’olona ao amin’ny Fat izay ampiasain’ny Frantsay, ka ny iraka ampanaovina azy ireo dia ny fanonganam-panjakana, efa nisy izany tamin’ny 1972, 1991, 2002, ary 2009. Ankoatr izay dia nambarany fa tsy manaiky ny hakan’ny Fat ny Bois de Rose ao Mananara Avaratra ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao, fa tokony hanamboarana fotondrafitr’asa any an-toerana.
Ny solontena avy amin’ny Ankolafy Didier Ratsiraka kosa dia nanamafy fa tsy hiditra amin’ny Governemanta hatsangan’i Camille vital ny ankolafy Didier Ratsiraka, satria sadasada izany, ny fihavanana hoy izy no zava-dehibe, izay tafiditra amin’ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny tovana Addis Abeba.
Ny Pastera Edouard dia nanambara fa zavatra telo no misy eto amin’ny firenena dia telo izay iray, ary ny fanantenana, finoana ary ny fitiavana, eo ihany koa ny Ankolafy Zafy, Didier Ratsiraka, Ravalomanana Marc. Nampitandrina ny frantsay ny tenany satria miary tsikombakomba amin’ny Fat.
Namarana ny fandraisana ny fitenenana Andriamatoa Rakotovazaha Olivier avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana, namafisiny fa tsy misy ny fihaonana eo amin’ny Andry Rajoelina sy Ravalomanana Marc izay atao ny 24 Aprily, ankoatra izay dia nanome toromarika ho amin’ny hetsika rahampitso ihany koa ny tenany, alohan’ny amin’ny mitataovovonana no handray ny toromarika etsy amin’ny Magro Behoririka ny vahoaka avy’ amin’ny ankolafy telo, ary avy eo hitanjozotra ho eny Ambohijatovo. Marihina fa efa nirava vao nihazo teny amin’ny Magro Tanjombato ireo camion dimy nitondra ireo andiana herim-pamoretana.




