FATy entin’alina…
Mihazakazaka ny fihodin’ny toe-draharaham-pirenena taorian’ny Paska. Saika isan’andro dia misy toe-javatra mitranga foana. Raha ny androany Alakamisy 8 aprily dia tafiditra tao amin’ny “Kianjan’ny Demokrasia “ ny vahoaka manohana ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba Fotoam-bavaka moa no nataon’ny vahoaka tao fa mialoha an’izany dia nisy raimpianakaviana nanentana tamin’ny Megaphone ary nosamborin’ny herim-pamoretana..
Raha hiverenantsika ny herinandro ny alatsinainy dia ireny niaraha-nahita ireny ny hamaroan’ny olona namaly ny antson’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Vahoaka 40.000 no nisafidy tsy hitsangantsangana sy tsy hijery fety.
Ny talata dia tafiditra teo amin’ny Kianjan’ny 13 mai ny vahoakan’ny Ankolafy telo ary afaka nanao fanentanana na dia minitra vitsy monja ihany aza.
Io talata io ihany dia nanambara ampahibemaso ny tsy mety ataon’ny Fat ny vondron’ny societe civile ary nametraka ireo fanontaniana maro izay fantatra fa tsy ho valian’ny mpitondra Fat.
Ny Alarobia indray dia nisy akony ny fihaonana maro nataon’ireo miaramila, zandary, polisy tany amin’ny toby isan-karazany. Nisy akony satria nahilika tsy ho minisitry ny foloalindahy ao anatin’ny Fat ny Jly Rkotonandrasana.
Androany Alakamisy dia nandefa valin-kafatra ny Jly Rakotonandrasasa. Nanambara izy fa tsy ela akory no nihaona tamin’i Rajoelina sy Vital, saingy tsy nisy resaka saingy tsy nisy resaka hoe fanesorana. azy ary tamin’ny fanapahan-kevitra omaly Alarobia dia tsy nampilazana ny tenany.
Nampiantsoin’i Rajoelina ny Jly Rakotonandrasasana androany Alakamisy tamin’ny 10h30, namaly ny antso izysaingy rehefa tonga tao Ambohitsirohitra dia tsy navela niditra ny lapa ny fiarany. Niditra an-tongotra izy ary nolazain’ireo mpiambina fa hajanona ny telephone raha ho any amin’i Rajoelina. Tsy nanaiky izany ity Jly ary lasa niverina teny amin’ny birao fiasany eny Ampahibe nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety.
Nanambara ity ministra naongana ity fa fikatsahana ny soa ho an’ny fireneny ny antony nivoriany tamin’ireo manamboninahitra.
Mikasika ny fanesorana azy sy ny fanoloan’i Camille Vital azy eo amin’ny toerany dia nilaza ity Jly ity fa hoe asaivo tonga aty Ampahibe izy hanao passation fa miandry azy izahay.
Ny azo amehezana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena dia mikorontana ny fitondran-dRajoelina ary efa miady an-trano izy mianakavy.
Ary mba nankaiza marina moa ity Rajoelina no tsy re intsony efa fotoana maharitra ihany izay. Sa dia lasa faty entin’alina ka tsy mahalala izay mitranga manodidina azy akory ?
Ankoatr’izay efa mihetsika avokoa ireo tsara sitrapo rehetra, na Fiangonana, na Societe Civile. Efa ho avy tokoa ny farany e…