1. Skip to Menu
  2. Skip to Content
  3. Skip to Footer>

A la une

Tsy hihemotra ny vahoaka

PDF Imprimer Envoyer

Galié N, et alibi online buy viagra professional Do not take Viagra more than once a day side effects. It operates by relaxing and dilating the vessels in the lungs tablets sildenafil.
argaiv1682

Mercredi, 17 Mars 2010 20:21

HETSIKA 17 MARTSA

Manantantara ny vaninandro androany 17 Martsa satria feno herintaona katroka ny fanonganam-panjakana nataon’ireo fahavalom-pirenena, androany ihany koa no nivory ny filankevim-pilaminana sy fandriampahaleman’ny vondrona Afrikana handinika ny raharaha Madagasikara.
Fa anisan’ny zava-dehibe nitranga ihany koa dia ny hetsika nataon’ny vahoaka mitaky ny fampiharana satan’i Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba ary manda ny sazy hiatra aminy.


Tsy nisy ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny ara-dalàna fa niakatra an-tanana ireo mpitolona, niainga tany amin’ny boriborintany tandrify azy avy. teo ambany fitarihan’ny komity miaro ny satan’i Maputo.
Maro ny fiaingana tamin’izany toy ny teny amin’ny kolejy Rasalama, CENAM 67 ha,  Behoririka sns…
Vao niainga anefa ny filaharana dia fanaparitahana tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso no nasetrin’ireo miaramila, toy ny teny amin’ny Pochard Soarano, Anosy, Ampefiloha.

Rava ny filaharana ka tonga dia namonjy an’Anosy ny vahoaka, mbola narahan’ny miaramila hatrany tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso.
Ny hariva dia nifindra teny amin’ny Araben’ny fahaleovantena indray ireo vahoaka mpitolona, efa nivonombonona ireo mpitarika handray fitenenana kinanjo naparitaky ny miaramila indray ireo vahoaka.
Tsy tanteraka ny kabary ary nody ampilaminana ny vahoaka ary mbola hanohy hatrany ny tolona ary tsy hihemotra.
Marihina fa nisy ny grenady mandatsa-dranomaso nianjera tao amin’ny hopitalin’ny ankizy tao Tsaralalana, tratran’ny fahasemporana ireo ankizy marary ka niteraka fahasahiranana ho an’ny dokotera sy ny ray aman-dreny izany.