Magro 26 feb : tsy miresaka fisokafana ny satan'ny Maputo
Saiky niompana tamin’ny famaliana ny hevitra taingina napotsak’i Andry Rajoelina ny alin’ny alakamisy teo ny kabary nifanesy teny @ Magro. Niray feo ny mpandray fitenenana rehetra nitory ny tsy mampitombona an’izany. Ny Mpanolontsaim-Paritra avy any Ihorombe Andriampilamanana Rostand no nanokatra ny anjara fitenenana. Valinkafatra ho an’i Andry R. no nataony. Tsy mila fanapahan-kevitr’olontokana ny Ankolafy telo fa ny fanatanterahana ny Satan’i Maputo ihany no vahaolana. Fanontaniana no napetrany ho valian’ny Fat : Inona no loza azon’ny firenena raha hampiharina ny Satan’i Maputo ? Ny namaranany ny anjara fitenenany moa dia ny hoe :Tonga ny fotoana andraisana andraikitra noho izany dia tokony ho tonga maro eto amin’ny Kianjan’ny ara-dalana isika mba ho hitan’izao tontolo izao ny firaisan-kinantsika. Ny Rvd ANDRIANALIJAONA ANDRIAMANAMPY kosa dia nitondra fanazavana mikasika ny hetsika rahampitso, indrindra fa ny fifaninana masina isam-pokontany amin'ny komity miaro ny satan’i Maputo
Nohamafisiny fa tsy manana fahefana hiantso ny vahoaka Malagasy i Andry satria mpanongam-panjakana.
Ny Depute CAMILLE El Mekthoub kosa dia nampitandrina ireo olona avy amin’ny ankolafy telo mba tsy hiditra amin’ny fisokafana ataon’ny FAT, manala tena izay miditra any hoy izy. Tsy resaka fanonganam-panjakana intsony izao ny resaka fa fiverenana amin’ny rafitra ara-dalàna, satria tany tsy misy fanjakana no eto.
Atoa MAHIZARA dia nanambara fa mikisaka manakaiky ny 16 Mars ka zava doza izany, tsy Andry irery no iharan’ny sazy fa ny vahoaka Malagasy rehetra saingy ny azy no mafimafy kokoa. Noho izany tsy azo ekena ny fahatongavan’ny sazy eto, mialà eo amin’ny toerana rehefa tsy zaka ny fitondrana.
Mikasika ny 04 sy 05 Mars hanatontosana ny fikahonan-doha ataon’ny Fat dia nambarany fa familiviliana ny zavatra tapaka tany Maputo io.
Tsy misy vahaolana afa tsy ny fampiharana ny Satan’I Maputo ihany hoy izy. Mikasika ny fifidianana dia namafisiny fa tsy azo atao izany raha tsy ifanarahan’ny rehetra.
Atoa RAKOTOVAZAHA OLIVIER no namarana ny fandraisam-pitenenana. Nitondra ny hafatra avy amin’ny Filoha Ravalomanana momba ny tsy fanatrehan’ny ankolafy Ravalomanana ny 04 sy 05 Mars, ary nampanantena ny Filoha fa rahampitso dia hiditra mivantana eny amin’ny Magro. Ankoatra izay dia namafisiny fa ny fampiharana ny satan’i Maputo ny ilain’ny ankolafy telo satria miantoka ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana sy Ratsiraka izany.




