FIS : Force d’Intervention Spéciale.
Natsangana hanao inona ?
Ny 26 jona 2009 teo no niseho vahoaka voalohany ity sampana iray vao nantsangan’ny FAT-y ity teo amin’ny matso izay nontanterahiny teny mahamasina. Raha ny anarana dia vaovao tanteraka, raha ny fitaovana entiny dia ari-fomba tokoa (na Fiara na fitaovam-piadiana), ny olona mandrafitra sy mitarika azy anefa dia tsy vaovao fa dia olona fatam-poko fatam-pirenena ary efa nivolana moa fa ataony mahalala ny anarany i Madagasikara.
Amin’izao vaninandro iainantsika izao dia mipetraka ny fanontaniana : Ilaina ve ny hananganana an’io rafitra manokana io izay lazaina fa solon’ny EMMO-NAT teo aloha ? Raha eny dia hanao inona izany izy ireo ?
Nahoana no natao sampana manokana izy io fa tsy tahaka ny rafitra ny EMMO-NAT teo aloha ihany, izay antsoina rehefa misy fotoana ilana azy. Dia mazava koa fa araka ny maha sampana manokana azy dia hanana toe-bola manokana hiodinana koa izany izy, dia mahagaga fa amin’izao andro efa idiran’ny firenena amin’ny kizo lalina izao no hananganana rafitra miaramila izay tsy mifanaraka akory amin’ny zava-misy sy ny vanimpotoana.
Raha alefa lalina kokoa ny fandinihana dia toa mahalasa saina ihany ity FIS ity. Ny Commandant Roalahy nalaza tamin’ny fanonganam-panjakana, fisamborana olona, fitifirana olona no mitarika azy ankehitriny, dia mandeha ihany ny fanontaniana hoe hanao inona ary ?
Raha ny tranga rehetra misy dia fanonganam-panjakana no nisy teto Madagasikara, izay nahatonga ny FAT-y teo , miaramila sy sivily no niara nanao azy io ary nampian’ireo vahiny mbola te hiverina hanjanaka an’ny Madagasikara. Azony tokoa izao I Madagasikara izy ireo no mitondra sy mibaiko ary manao izay tiany hatao, noho izany ilainy harovana ny zavatra natsangany, satria raha tena manaraka ny lalàna nisy teto Madagasikara hatramin’izay dia fantatr’izy ireo tsara ny sazy hahazo azy raha toa ka misy ny fialany eo dia natsangany ny FIS atao hoe “Force d’Intervention Spéciale” moa izy io fa raha ny marina dia io no Force iray entina hiarovana izao fitondrana nalaina an-keriny izao.
Manoloana ny filazana ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana dia miahiahy fatratra ireo Mpanongam-panjakana ka aleony dia nanangana izao rafitra izao hiarovana azy. Hita taratra koa anefa ao anatin’io fa dia mizara tanteraka ny atao hoe tafika eto Madagasikara ka mba tsy hifangaroan’ny tena Tafika amin’ireo mpanongam-panjakana dia maro ireo tsy nanaiky intsony ny baiko avy amin’izy ireo, hany herin’ireto farany dia natsangany ny FIS nataony hiaro azy. Hazava izany ny tantara eto fa raha misy izay ho fidiran’ny tafika mpampandry tany sy izay hiaro ny Filoha Ravalomanana amin’ny fiverenany indray eto an-tanindrazana dia ny FIS no voalohany hanohitra izany.
Visiteur




